• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lapresseca
Image
Sexualité & Mariage

Fitia voarara : Izaho efa halazo, ianao vao voa hamelana ...

19/06/2023 20:05 © Moov.Mg

Fantatro fa tsy azo atao, meloka aho mitia anao ... Saingy tsy voatanan'ny foko ny mitia anao an-tsokosoko ... Soa fa nisy varavarankely mifanila amin'ny anao, ahafahako mitazana anao isa-maraina ... Soa fa nisy lalana iraisana isan'andro ampiononako ny foko ... Tiako ianao saingy tsy sahy namboraka ny ato am-poko aho ...

Tsy haiko tsy hitia anao ....

Vao nahita ny endrikao, ny fitsikinao, ny famindranao aho dia babo. Iny ianao iny, ilay tovovavy tsara tarehy sy bikàna vao tonga tsy ela teto an-tanàna. Toa misy hery hafahafa misintona ahy hanantona anao. Ianao rahateo koa tena tsotra sy sariaka ka vao maika nampiredareda ny afom-pitiavako. Fifaliana ho ahy ery ny mahatazana anao mikarakara voninkazo sy mamafa tokontany amin'ny maraina. Tsy andriko ery ilay hiara-dalana aminao rehefa handeha hiasa iny ianao... Tsy haiko ny mamaritra ny fihetseham-poko rehefa mahita anao mihaingo fatratra handeha hivavaka na hamonjy fanasana ...
Tsy naharay lamba aho isaky ny tafaraka taminao harivariva hamonjy fodiana. Nasitriko mafy tao am-paosy ny tanako roa efa te hitantana mafy ny tananao. Te hisakambina anao mihitsy aza. Noferako ny vavako tsy hitanisa ny hatsaranao, sady te hamboraka fitiavana mafy taminao aza aho. Tohina ny foko raha nahita tovolahy efa niandry anao teo am-bavahady. Nikorontana ny saiko nieritreritra anao hikopak'elatra tsy ho ela. Nisamboaravoara ny fanahiko nitady izay fomba itodihanao amiko. Impiry impiry aho no nanofinofy anao ... Saingy indrisy ...
Namelona kely ny fanantenako ny niangavianao ahy hanampy anao tamin'ny fanamboarana madinidinika tao an-tranonao. Mamiko ery ny nitehenanao, ny nifikiranao, ny novazivazianao. Mangoritsina ny vatako manontolo maheno ny feonao ... Tamin'izay indrindra no saika nanorohako anao ... Saingy tsy sahy aho ... Tsy sahy aho rehefa nolazainao fa hanambady tsy ho ela ianao ... Tsy nampoiziko handray fanapahan-kevitra vetivety teo ianao ...

Tsy ho ahy ianao fa fantatro ...

Ianao ary elatra enti-misidina, izaho efa hitsingidina ... Efa eny an-tratrany ianao no mitampify ... Asa lahy, dia sanatria toy ny rainao ve no nandraisanao ahy ? Ireo dimy ambin'ny folo taona manelanelana antsika ve no rindrina mijoro mampisaraka antsika ? Sa ny fonao efa lasan'ny hafa ka tsy hisy izay ho anjarako intsony ? Dia tsy hitanao tamin'ny fihetsiko ve ny fihetseham-poko ? Eny, aleoko mangina, aleoko mitia mangina satria tanora vao hisandratra ianao fa izaho no efa reraky ny fiainana. Ny efapolo taona latsaka kely niainako efa nampikentrona ny tarehiko sy nampihena ny heriko.
Andro nangidy loatra ho ahy ny nahatazana ireo mpangata-bady nitangorona teo an-tokontaninao. Toy ny very saina aho, toy ny avy nilatsaham-baratra, toy ny nisy nanindrona antsy ny foko. Very aho, eny, very. Latsaka ny ranomasoko rehefa nivoaka haka sary iny ianareo. Teo aho vao nanenina hoe tahak'izay mba namboraka ny tato am-poko na dia sombiny ihany aza. Andro faharoa nahamaizina ny tany aman-danitra tamiko ny andron'ny mariazinao. Saika tsy nahatraka aho ... Dia tonga tato am-bavako ilay hira hoe "izao andro izao andronareo ... "
Roa taona no nahanginako, roa volana no nanapahanao hevitra fa hiroso amin'ny fanambadiana, roa andro no nitomaniako teo am-pandriana, roa minitra no nandinihako anao nisarom-boaly. Valaka ny aiko, vizana ny saiko. Ifonako aminao ny tsy nanekeko hanotrona ny raharahanao. Tsy ho zakako ny hampitaha ny fifalianao amin'ny fahoriako. Soava tokantrano.

Lire la suite

Articles Similaires