• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Sexualité & Mariage

Fetin’ny ray : ireo fanomezana ankafizin’ny raim-pianakaviana

12/06/2023 08:12 © Moov.Mg

Toy ny isan-taona dia vaky loha ny reny sy ny zanaka mitady izay fanomezana tsara sy mendrika atolotra ho an’ny fetin’ny ray. Ndeha ary ho fantarina ireo anisan’ny fanomezana ankafizin’ny raim-pianakaviana indrindra rehefa amin’ny fetin’izy ireo.

Akanjo mafana : anisan’ny fanomezana ankafizin’ny raim-pianakaviana

Koa satria ao anaty vaninandro ririnina tanteraka ny fetin’ny ray dia anisan’ny fanomezana ankafizin’ny raim-pianakaviana tokoa ny akanjo mafana. Maro karazana izy ireny ary azo safidiana arakaraky ny enti-manan’ny tsirairay. Ahitana modely samihafa eny an-tsena eny, toy ny akanjo bà, ny « blouson », « doudoune » ary ny pataloha maro isan-karazany toy ny « jean », « jogging », « slim »… Ho an’ireo reny sy zanaka tsy afaka mandeha eny an-tsena moa dia efa maro ireo pejy ao amin’ny Facebook mivarotra fitafy ho an’ny lehilahy amin’izao akatoky ny fetin’ny ray izao.

Kiraro, famataranandro, fekibo

Anisan’ny kojakoja ilain’ny raim-pianakaviana amin’ny andavanandro ny kiraro. Mahafaly azy tokoa noho izany ny mandray izany hanamariana ny fetin’ny ray. Toy ny fitafy dia misy karazany maro ny kiraro azo atao fanomezana ho an’ny raim-pianakaviana. Anjaran’ny vady sy ny zanaka moa no mijery hoe inona no kiraro tsara atolotra, fientina miasa ve sa fanaovana fanatanjahantena. Tandremana tsara kosa mba tsy ho diso ny habeny (pointure) rehefa miantsena. Ankoatra ny kiraro dia kojakoja tian’ny lehilahy ihany koa ny famataranandro sy ny fehikibo. Ezahina kosa mba ilay tsara kalitao no safidiana mba tsy ho mora simba.

Kojakoja « personnalisé » mety atao fahatsiarovana

Anisan’ny fanomezana ankafizin’ny raim-pianakaviana hanamirahana ny fetin’ny ray ireo kojakoja « personnalisé ». Izany hoe zavatra iray nosafidiana ary asiana soratra, sary na teny mamy ho an’i Dada eo aminy. Azo atao « personnalisé » avokoa na akanjo, kaopy, « cadre photo », « porte-clé », haingon-trano na haingona birao… Mety atao fahatsiarovana tsara izany karazana fanomezana izany. Ahitana mpandraharaha afaka manao izany « personnalisation » izany ao amin’ny Facebook.

Ranomanitra sy fitaovana fikarakarana ny endrika

Maro ny lehilahy no mankafia ranomanitra. Tafiditra anatin’ireo fanomezana ankafizin’ny raim-pianakaviana maro tokoa noho izany izy ireny. Maro ireo mpivarotra ranomanitra eny an-tsena sy eny amin’ny Facebook eny. Tandremana tsara kosa nefa mba ho ranomanitra tsara kalitao no vidiana mba hisorohana ny aretin-koditra vokatr’ireo ranomanitra mora vidy sy ratsy kalitao ireny. Aleo manomana vola misimisy hividianana lafo, tsara ary tsy atahorana. Safidy afaka atao ihany koa ireo fitaovana fikarakarana ny endrika toy ny « rasoir électrique », « tondeuse »…

Vokatra « high tech » sy fitaovana fanaovana « bricolage »

Samy amin’ny zavatra tiany ny lehilahy tsirairay. Misy ireo raim-pianakaviana mankafy ireo vokatra « hig tech » toy ny finday, « speaker », « jeux video »… Raha manana ny enti-manana hividianana izany ny vady aman-janaka dia anisan’ny fanomezana mahafa-po atolotra amin’ny fetin’ny ray izany. Etsy andaniny misy ihany koa ireo lehilahy tia manamboatra zavatra ao an-tokantrano. Fanomezana azo atao azy ireny ireo fitaovana fanaovana « bricolage » tsy mbola ananany nefa ilaina. Maro ireo fivarotana ahitana izany eto andrenivohitra na ao amin’ny Facebook.

Lire la suite

Articles Similaires