• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Sexualité & Mariage

Familiana fiarakodia : natokana ho an'ny lehilahy ihany ve ?

04/05/2023 13:41 © Moov.Mg

Tsikaritra fa efa maro ireo vehivavy mitondra fiarakodia. Misy aza moa ireo vehivavy mpamily fiara-pitateram-bahoaka sy fiara-karetsaka. Etsy andaniny kosa anefa mbola maro ireo milaza fa natokana ho an’ny lehilahy ihany ny familiana fiarakodia. Mbola mitombina ve izany fomba fisainana izany ?

Samy afaka mahafehy familiana fiarakodia ny lehilahy sy ny vehivavy

Nandritra ny taona maro dia noheverina fa ny lehilahy irery ihany no afaka sy natao hitondra fiarakodia. Raiki-tapisaka tao an-tsain’ny rehetra izany fiheverana izany ka lasa natahotra ny vehivavy hianatra hitondra fiara. Rehefa mibahana ao an-tsaina ny tahotra sy ny tsy fahatokisan-tena dia lasa nanjary nananosotra hoan’ny vehivavy ny fianarana mamily fiarakodia. Ny lehilahy kosa etsy andaniny feno fahatokisan-tena sy fahasahiana ka mora mahay mitondra fiara. Rehefa afaka kosa anefa ny tahotra eo amin’ny vehivavy dia tsikaritra fa mifehy ny familiana fiarakodia mitovy ny lehilahy ihany izy ireo. Vao maika moa nihamora ho an'ny vehivavy ny fifehezana ny familiana fiara rehefa nihena ireo fanapepoana saina mikasika ny tsy tokony hitondran’ny vehivavy fiara.

Manana fahamalinana kokoa ny vehivavy amin’ny familiana fiarakodia

Rehefa jerena ireo antontan’isa an’ireo loza ara-pifampoivoizana dia tsikaritra fa ny mpamily fiarakodia lehilahy no voakasik’izany betsaka kokoa. Voamarina tokoa mantsy fa manana fahamalinana kokoa ny vehivavy amin’ny familiana fiarakodia. Mety afaka manazava izany toe-javatra izany ilay tsy fahampian’ny fahatokisan-tena eo amin’ny vehivavy noho ilay fihevitra taloha ary mbola misy fiantraikany amin’ny toe-tsaina ankehitriny. Tsikaritra ihany koa fa tsy manana ilay toetra misetrasetra sy tia mifaninana toy ny sasany amin’ireo lehilahy ny vehivavy rehefa mitondra fiara. Tsy mahagaga noho izany raha efa tena maro ireo vehivavy mpamily fiara lehibe toy ny camion sy bus any am-pitan-dranomasina.

Maro ireo tombontsoa azo amin’ny fahafahan’ny vehivavy mamily fiarakodia

Mitondra tombontsoa maro eo amin’ny fiainana andavanandro ny fahafahan’ny vehivavy mamily fiarakodia. Lasa tsy miankin-doha amin’ny lehilahy intsony ny vehivavy rehefa misy dia alehany ka mila mandeha fiara. Afaka mifanampy amin’ny vadiny amin’ny andraikitra ao an-tokantrano ihany koa ny vehivavy mahay mitondra fiara, ohatra amin’ny fanaterana sy ny fangalana mpianatra. Misy tombony betsaka eo amin’ny lafiny ara-kasa ihany koa ny fananan’ny vehivavy manana karatra fahazoan-dàlana hamily fiara. Tsy mila maka mpamily intsony ny orinasa raha toa ka asa mila fivezivezena maro no iandreketany.

Lire la suite

Articles Similaires