• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sciencealert
Image
Sexualité & Mariage

Krizin’ny zaza 2 taona : andao resahana

20/04/2023 14:34 © Moov.Mg

Mandalo ny antsoina hoe « krizin’ny zaza 2 taona » ny ankamaroan’ny ankizy madinika manodidina ny 18 hatramin’ny 36 volana. Mitomany lava, kizitina, mafy loha… manao karazana fihetsika mahatezitra sy manafintohina ny ray aman-dreny. Ahoana ary ny fomba fifehezana ny krizin’ny zaza 2 taona ?

Inona no atao hoe krizin’ny zaza 2 taona ?

Fantatra amin’ny teny vahiny hoe « crise des 2 ans » ny krizin’ny 2 taona. Rehefa manodidina io taona io ny zaza madinika no manomboka miha tonga saina tsikelikely amin’ny maha olona manokana ny tenany. Ny fandavana sy ny fanoherana ny ray aman-dreniny moa no fomba iray voalohany hanehony izany. Fotoana fianarana zavatra maro ho azy ihany koa io taona io. Te haneho sy hampiseho izy fa mahaleo tena, mahavita manao zavatra irery.
Etsy andaniny kosa anefa izy mbola tsy mahay miteny tsara ary tsy mahay maneho hevitra. Miteraka fahakizitinana eo aminy ny tsy fahazoan’ny ray aman-dreny izay tiany atao na tiany ambara. Mety manao izany krizy izany ihany koa izy rehefa noana, reraka na tsy mahazo aina. Ny hany fomba ahafany mampita ny zavatra tsapany sy tiany lazaina dia ny fanaovana fihetsika sokajintsika ho « ditra » sy « fihantana diso tafahoatra ».

Ahoana ny fomba ahafantarana ny krizin’ny zaza 2 taona ?

Azo lazaina fa tafiditra anatin’ny krizin’ny zaza 2 taona ny ankizy kely iray rehefa maneho ireto fihetsika manaraka ireto :

Mitomany mikikiaka sady sarotra ampanginina ;

mitsikasinkasina amin’ny tany ;

mandà foana rehefa tenenina ;

mandrangotra ;

manaikitra ;

mitoraka ;

mora tezitra ;

falifafy avy eo tezitra tampoka.

Rehefa manao ireny fihetsika ireny ny ankizy kely mandalo krizin’ny 2 taona dia tena sarotra ampitoniana. Mety maharitra minitra vitsivitsy izany fihetsika izany ary mety hiverimberina ihany koa. Indraindray moa lasa tahaka ny fahazarana mihintsy. Misinda ihany anefa izany rehefa feno 3 na 4 taona eo ny zaza.

Ahoana ny fomba fifehezana ny krizin’ny zaza 2 taona ?

Ninoninona antony mitarika ny fihetsika mihoa-papanana ataon’ny zanakao mandalo krizin’ny zaza 2 taona, tsara foana ny mitony sy miezaka maka mora ny fony.
Fadio ny mitabataba na mihaka-peo satria vao maika izy hikikiaka hitomany sy hatahotra. Rehefa izy ilay mitomany mikikiaka na mitsikasinkasina amin’ny tany iny dia resaho mora izy hoe « fantatro fa tezitra ianao fa aza manao izao ». Raha mbola manohy izy dia avelao eo fotsiny mandrapatapitra ilay krizy.
Mila tazomina sy fehezina kosa anefa izy raha manao fihetsika mandratra ny tenany na mandratra ny hafa. Raha toa ianao ray aman-dreny ka tezitra mafy, avelao amin’ny olon-dehibe iray afaka manara-maso azy izy ary mihataha kely aloha mba ho tony.
Matetika moa dia misy zavatra iray donginy nefa tsy omena azy no anton’ilay krizy. Fadio ny manome azy izay tadiaviny mba hampitoniana na hampanginana azy. Raha manaiky ianao dia eritreretiny fa mandaitra ilay ditra kely rehefa te midongy zavatra.
Rehefa mitony ilay zaza dia fihinina eo an-tratra ary anontaniana azy mora amin’izay ny antony nahatezitra azy teo. Raha mbola tsy mahay miteny izy dia anjaranao lehibe no milaza am-bava ilay zavatra notadiaviny na nahatezitra azy. Rehefa avy mamaly izy dia atoro fomba hafa afaka hanehony ny ao an-tsainy na ny ao am-pony.
Fomba iray manampy ny ankizy kely mandalo krizin’ny zaza 2 taona ny fahaizan’ny ray aman-dreny ny mankasitraka ireo zavatra tsara ataony. Anarina tsotra ihany koa izy rehefa misy zavatra tsy mety ataony. Marina fa mbola sarotra amin’ny ankizy kely ny mahazo izay resahantsika ray aman-dreny aminy, nefa rehefa atao am-pitiavana sy am-pitoniana izany dia mora hiampita aminy.

Lire la suite

Articles Similaires