• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ludovic Versace.Jpg
Image
Sexualité & Mariage

Zaza mangala-bola : inona no tokony atao mba tsy hamerenany intsony ?

12/04/2023 08:12 © Moov.Mg

Toe-javatra mety mitranga amin’ny fiainan’ny tokantrano ny zaza mangala-bola. Fahatairana, alahelo, hatezerana sy fahadisoam-panantenana no fihetseham-po aterak’izany eo amin’ny ray aman-dreny. Inona ary ny fihetsika tokony hatao mba hisorohana izany ary indrindra tsy hamerenany intsony ?

Miezaka mitony manoloana ny zaza mangala-bola

Raha tratra mangalatra vola ao an-trano ny zanaka dia mila miezaka mitony aloha ny ray aman-dreny. Marina fa sarotra ny manao izany rehefa ilay taitra, malahelo sy tezitra mafy iny. Tsy tsara kosa anefa ny miteny na mibedy ny zanaka rehefa mbola mafana iny ny fo. Lasa manao teny marary tsy voahevitra ary mety handratra mihintsy raha mikapoka. Ny fitoniana no manome fahazavan-tsaina sy fifehezan-tena ho antsika ray aman-dreny manoloana ny zaza mangala-bola. Rehefa tony tsara vao miresaka aminy am-pahendrena.

Fantarina ny antony nanosika ilay zaza nangala-bola

Tsy mety ny manameloka be avy hatrany ny zaza ary fadiana ny miantso azy hoe mpangalatra. Mila fantarina ny antony nanosika ilay zaza angala-bola. Anontaniana tsotra azy hoe inona no antony ilàny vola ? Misy olona manery azy hangala-bola ve ? Mila miresaka amin’ny zanatsika isika ray aman-dreny. Miezaka manome toky azy ihany koa fa olona azo resahina tsara i Dada sy Neny raha misy zavatra ilainy. Tanterahina izany raha tokony sy azo atao. Ny filan-javatra sy ny fahabangana matetika no manosika ny zaza hangalatra.

Azavaina aminy hoe ratsy ny mangalatra

Raha mbola kely ny zaza, izany hoe latsaky ny 5 taona, dia mbola tsy fantany akory ny hevitry ny hoe mangalatra. Ampahafantarina azy noho izany fa ratsy ary tsy azo atao ny maka zavatr’olona tsy miera. Afaka manao ohatra aminy hoe « tianao ve raha alain’olona ny kilalaonao ? » Noho izany, aza maka zavatra olona. Aza alaina rehefa tsy anao. Raha efa lehibe kokoa ny zaza dia azavaina aminy ny maha ratsy ny zaza mangala-bola. Lazaina aminy ny fiantraikan’izany : mampalahelo an’i Dada sy Neny, mahamenatra ny fiaraha-monina, alefa any amin’ny zaza maditra raha mbola mamerina… Azavaina aminy ihany koa fa tsy voatery azo avokoa izay zavatra tiana hananana rehetra. Ampahafantarina azy fa misy ny mahasoa, ny mahafinaritra ary koa ny zakan’ny fahefa-mividy ny ray aman-dreny.

Manabe ary maka fepetra mba hisorohana ny fangalaram-bola ao an-trano

Mila beazina amin’ny lalana tokony alehany ny ankizy. Anjarantsika ray aman-dreny ny mananatra sy manabe ny zanantsika mba tsy hahatonga ny fahadisoana indray mandeha, na indroa ho lasa fahazarana. Raha momba ny ala-bola manokana dia faizina ny zaza raha toa ka mamerina izany fomba ratsy izany. Tsara ihany koa ny mametraka fepetra mialoha mba hisorohana ny fakam-panahy. Atao amin’ny toerana azo antoka ny vola ao an-trano.

Lire la suite

Articles Similaires