• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Divprosante.Tg
Image
Sexualité & Mariage

Fanabeazana aizana : hanisa andro sa hampiasa fomba fandrindram-piterahana ?

30/03/2023 08:08 © Moov.Mg

Efa maro ankehitriny ireo vehivavy no misafidy ny hanao fanabeazana aizana. Antony iray voalohany amin’izany ny fahalainana hiteraka betsaka loatra nohon’ny fahalafosan’ny fiainana. Miteraka ady hevitra anefa ankehitriny ny fomba fanabeazana aizana atao : hanisa andro sa hampiasa fomba fandrindram-piterahana ? Inona ary ny lafy tsara sy ny lafy ratsy amin’ireo safidy roa ireo ?

Manisa andro : fanabeazana aizana natoraly

Ny fanisana andro no fanabeazana aizana manintona ny vehivavy maro indrindra noho izy natoraly. Tsy mila mampiasa fanafody na fitaovana hafa entina handrindrana ny fiterahana ka tsy miteraka voka-dratsy hoan’ny fahasalamana. Mifototra amin’ny fikajiana ny andro mahalonaka ny vehivavy ny fanisana andro. Izany hoe, tsy manao firaisana ara-nofo mandritra ny vanim-potoana mahalonaka (5 andro mialoha sy 5 andro aorian’ny ovulation). Manampy amin’ny fisorohana vohoka tsy iriana na koa hampitomboana ny vintana raha te hitoe-jaza ity fanabeazana natoraly ity.
Misy lafy ratsiny maromaro anefa ny fanisana andro. Mananosarotra ny fanatanterahana azy raha mikorontana ny fitsingerenan’ny fadim-bolana. Ambony kokoa ny tahan’ny tsy fahombiazany satria mety mitranga tampoka io fikorontanana io rehefa reraka loatra na misy fihetsem-po be loatra ny vehivavy. Tsy mandaitra ihany koa izy ity raha tsy mahay mifanaraka ny mpivady ka tsy manaja ny fotoana mahalonaka tsy azo anaovana firaisana ara-nofo.

Fampiasana fomba fandrindram-piterahana : fitaovana na fanafody fanakanana ny fitoeran-jaza

Misy karazany maro ireo fomba fandrindram-piterahana efa azo ampiasaina eto Madagasikara. Misy ireo natokana hoan’ny vehivavy fa misy ihany koa ny natokana hoan’ny lehilahy. Raha ny hoan’ny lehilahy manokana dia ny « vasectomie » no fanabeazana aizana afaka hatao. Fanapahana na famatorana ny lalan’ny tsirin’aina no tanterahina. Eny aminy toeram-pahasalamana voatokana no anaovana azy ary ny lehilahy natao vasectomie moa dia tsy afaka miteraka intsony.
Mizara ho telo ny fomba fanabeazana aizana hoan’ny vehivavy. Ny voalohany dia ireo fampiasana fanafody toy ny pilina, ny tsindrona ary ny implant. Manakana ny ovulation ireo karazana fanafody ireo ary misoroka ny fitoeran-jaza. Ny lafy ratsiny dia mety mampikorontana ny toe-batana ny fanafody, indrindra ho an’ireo vehivavy tsy mahazaka izany. Ny fomba fanabeazana aizana faharoa dia ireo mampiasa fitaovana toy ny DIU. Maharitra 12 taona ny fiasan’ity fomba fanabeazana iray ity. Ny lafy ratsiny dia izy mety hietsika ka hitarika aretina any amin’ny tranon-jaza. Na ny fanafody na ny fitaovana fandridram-piteraha dia tsy mandaitra zato isan-jato. Ny fandidiana no fomba fandrindram-piterehana fahatelo tsy natoraly. Izany hoe ny ligature na ny famatorana ny fantsona mitondra ny tsirin’aina mankany amin’ny ovule. Natao ho an’ireo vehivavy tsy mahazo na tsy te hiteraka intsony ity farany.

Lire la suite

Articles Similaires