Pudding : Goûter mora atao, hoan’ny ankizy sy lehibe
Sahiran-tsaina matetika ny Ray aman-dreny mitady goûter ho an’ny zanany rehefa fotoam-pialantsasatra toa izao. Fantaro fa maro ireo karazana goûter afaka karakarainao ao antrano. Fotoana ihany koa io ahafahanao manararaotra ny fiarahana amin’ny zanakao indray. Indro atolotra anao anio ny Pudding miaro caramel. Mora karakaraina sady mafilotra.
Ny zavatra ilaina
[Pudding]
Ronono : 50cl
Siramamy : 100g
Rhum : 3cl
Mofo efa nialon’andro : 175g
Atody : 3
Siramamy miaro lavanila : 1 fonosana (kely)
Dibera : 20g
[Caramel]
Siramamy : 60g
Rano : 1 sotro lehibe
Voasary makirana : ½
Fikarakarana
[Pudding]
Alohan’ny fikarakarana rehetra dia areheto ny lafaoro, ary ataovy eo amin’ny 200° (thermostat 7). Rehefa izay dia arotsay ao anaty vilany ny ronono, ny siramamy ary ny siramamy miaro lavanila. Avelao hangotraka ary esory ambonin’ny afo avy eo hangatsika.
Potipoteho ilay mofo efa nialon’andro. Arotsahy ao anatin’ilay vilany misy ronono ary afangaroy mandrapifoakan’ny mofo ny ronono. Rehefa mifangaro tsara ny mofo sy ny ronono, azo arotsaka amin’izay ny atody sy ny rhum.
Rehefa izay dia osory dibera ny moule izay anananao, ary arotsahy ao ny fangaro.
Ampidiro anaty lafaoro ary avelao hiketrika mandritry ny 45 minitra.
[Caramel]
Makà vilany kely iray, ary arotsahy ao ny siramamy, ny rano, ary ny ranon’ilay voasary makirana. Avelao hitsonika eo ambony afo tena malefaka ary aza adino ny manafangaro azy tsy ankijanona. Esorina ambony afo ny caramel rehefa manomboka manopy loko volo-tany.
Rehefa masaka ny pudding dia esory anaty lafaoro. Avela hangatsitsika kely dia esory anaty moule. Araraho eo amboniny ny caramel rehefa hihinana azy.
Vita ny goûter antsika anio. Mazoto homana tompoko !