Sakafo Vita fety : Salady legioma mora karakaraina
Raha sahiran-tsaina ianao mitady sakafo mafilotra nefa mahasalama, andramo ny “salady legioma” atolotry ny Moov.mg ho anao.
Rehefa vita fety toa izao dia tsara foana ny misafidy sakafo maivana. Somary nifanesy manko ireo sakafo matsiro nandritra iny fetin’ny faran’ny taona iny. Noho izany, tsara ny miezaka mihinana sakafo ara-pahasalamana.
Salady legioma sahaza ho an’ny fahefa-mividy rehetra
Ny fihinana legioma dia tena tsara ho an’ny fahasalamana. Ireo mpitsabo moa dia manambara fa tokony hohanina isan’andro ny legioma.
Koa satria avy nihinana sakafo matsiro sy be menaka tamin’ny fety, andeha hihinana sakafo mahasalama manomboka anio. Raha sahiran-tsaina ianao mitady sakafo mafilotra nefa mahasalama, andramo ny “salady legioma” atolotry ny Moov.mg ho anao.
Ireo zavatra ilaina :
Haricot vert : 1/4kg
Ovy : 1/8kg
Salady : 1
Voatabia : 2
Menaka oliva : 2 sotro fihinana
Olive noire : 3 sotro fihinana
Zavoka : 1
Atody : 2
Sira : 4 tsongo
Vinaigitra : 1 sotro, na voasary makirana : 1
Fikarakarana :
Sasana madio tsara daholo ny legioma
Atao anaty vilany misy rano ny ovy tsy mivofy, ny haricot vert, ary ny atody.
Esorina ny haricot-vert rehefa avy nangotraka nandritry ny 5 minitra. Miandry 7 minitra vao esorina ny atody. Ny ovy kosa avela hiketrika 20 minitra vao esorina ambony afo
Voasana ny ovy ary tetehina boribory. Ny haricot-vert kosa tetehina mizara roa fotsiny. Voasana ireo atody efa masaka rehefa avy nandalo rano mangatsika ary tetehina ho boribory.
Voasana ny zavoka dia tetehina ho toy ny litera “D”
Alaina ny voatabia efa voasasa ary tetehina ho boribory
Tetehina madinika toy ny mitetika anana kosa ny salady
Rehefa izany dia maka lovia jobo lehibe iray ary afangaro ao daholo ny fangaro rehetra efa voaomana.
Vonona aza ny sakafonao atoandro. Mazotoa homana !