Zaza teraka tsy tonga volana : mila fanaraha-maso akaiky
Isan’ny trangan-javatra mampatahotra ny bevohoka tokoa ny hoe teraka zaza tsy tonga volana na « prématuré ». Satria teraka alohan’ny fotoana ilay zaza dia mbola tsy vonona hiatrika ny fiainana ivelan’ny kibon-dreniny izy. Marefo dia marefo ny fahasalamany ka mila fanaraha-maso akaiky. Fa inona tokoa moa ireo mety fahasarotana atahorana eo amin’ny zaza teraka tsy tonga volana ?
Ireo antony mamparefo ny zaza teraka tsy tonga volana
Rehefa teraka tsy tonga volana ny zaza dia tapaka ny fotoana tokony mbola hitombony ao an-kibo. Efa hary daholo ny taovany fa mbola tsy matoy. Miteraka fahasarotana maro eo amin’ny fahasalamany sy ny fitombony izany. Anisan’ireo antony mamparefo ny zaza « prématuré » ny hoe :
-Tsy matoy ny atidoha. Na dia efa niforona tamin’ny telo volana voalohany ny vohoka azy ny atidoha dia marihana fa any amin’ny telo volana farany vao matoy tanteraka izany. Mety atahorana hisy fahatarana na olana ara-tsaina ilay zaza rehefa any aoriana ;
-Tsy matoy ny avokavoka. Mbola tsy mamokatra ilay singa atao hoe « surfactant » ny avokavoky ny zaza teraka tsy tonga volana. Io singa io nefa no miantoka ny fiasan’ireo avokavoka. Ireo zaza teraka aloha loatra dia mety ho sahirana rehefa miaina na koa tsy ho ara-dalàna ny « oxygénation du sang » ;
-Tsy matoy ny taovam-pandevonan-kanina. Ny zaza teraka tsy tonga volana, indrindra ireo teraka aloha loatra, dia atahorana hisy tsy fahatomombanana eo amin’ny taova fandevonan-kanina, toy ny tsinay. Ankoatra izay dia mety harefo ihany koa ny hery fiarovan’ny vatany.
Ireo trangan-javatra atahorana eo amin’ny zaza tsy tonga volana
Araka ny voalaza teo ambony dia marefo dia marefo ny fahasalaman’ny zaza teraka tsy tonga volana. Arakaraky ny fahaterahany mialoha loatra no mampitombo ny « risque » hisehoan’ny fahasarotana. Ny atahorana voalohany dia ny fahafatesany. Mbola tsy matoy daholo ireo taova rehetra ao anatiny ka ireto avy ireo atahorana mety hitranga :
-Sempotra ilay zaza na mety mijanona mihintsy ny fiainany ;
-Mora andairan’aretina satria ambany dia ambany ny hery fiarovany ;
-Tsy mahatazona hafanana ny vatany ;
-Tsy fahampiana rà ;
-Tsy mahalevon-kanina ;
-Tsy mahay minono ;
-Midina ny tahan’ny siramamy sy ireo otrikaina sasany ilain’ny vatany ;
-Misy fahasarotana mitranga any anaty ati-dohany.
Raha velona soa aman-tsara ilay zaza, dia misy koa anefa ny vokadratsy izay mety hitranga any aoriana, indrindra ho an’ireo tena tsy tonga volana be ireo. Anisan’izany ny hoe :
-mety misy fahasimbana ny masony ;
-mety tsy maheno tsara na tsy maheno mihintsy ilay zaza ;
-mety misy fahatarana ny sainy, toy ny hoe sarotra mifantoka, mitadidy na koa mandray fianarana ;
-mety hisy tsy fahatomombanana ara-batana na koa ara-tsaina.
Noho ireo rehetra ireo dia ilaina dia mila fanaraha-maso akaiky ny zaza teraka tsy tonga volana. Manomboka ny fotoana naterahana mandrapa lebebe azy. Tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa ny fandehanana misafo mba hanarahana tsara ny fivoaran’ny vohoka sy ny fahasalaman’ny zaza ao an-kibo.