• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Beabea
Image
Reny&Zaza

Torohevitra mikasika ny fampandroana ny zazakely rehefa ririnina

10/04/2026 09:56 © Moov.Mg

Anisan’ny fikoloana ny zazakely amin’ny andavanandro ny fampandroana azy. Ho an’ireo ray aman-dreny sambany mitaiza kely dia mety miteraka fanahiana ny mikasika ny fampandroana ny zaza rehefa ririnina noho ny tahotra sao hangatsiaka loatra ka harary izy. Ireto àry misy torohevitra vitsy sy fitandremana tsara fantatra rehefa mampandro ny zazakely rehefa vanim-potoana ririnina.

Ny hatetiky ny tokony hampandroana ny zazakely rehefa ririnina

-Zazakely 0–12 volana : Tsy ilaina ny hampandroana azy isan’andro. Indroa na intelo isan-kerinandro dia ampy, raha tsy hoe tsemboka be na maloto ny zazakely.
-Zazakely efa mandeha sy misakafo matetika : Rehefa manomboka mandady na misakafo ny zazakely, dia tsara kokoa izy raha ampandroana isan’andro mba ho madio foana.

Ny hafanan’ny rano

Ny hafanan’ny rano mety indrindra rehefa mampandro zazakely amin’ny ririnina eto amintsika dia tokony manodidina ny 37°C hatramin’ny 38°C. Raha azo atao dia tsara raha mampiasa « thermomètre » fitsapana rano mba tsy ho mamay na mangatsiaka loatra ny rano ampandroana ny zazakely.
Raha tsy misy « thermomètre » dia azo tsapaina amin’ny tànana na amin’ny kiho-tanana ny hafanana mba hahazoana antoka fa mety amin’ny zazakely.

Ireo fepetra tokony harahina

Rehefa mampandro ny zazakely amin’ny vanim-potoana ririnina dia misy ireo fepetra vitsy tsara harahina :
-Safidiana ny fotoana mety. Rehefa avy misakafo sy mitony ny zazakely no hampandroina. Miandry fotoana kely kosa nefa vao manatanteraka izany fa tsy vao avy misakafo izy.
-Tandremana ny hafanan’ny efitrano hampandroana azy. Hidiana tsara avokoa ny varavarankely sy ny varavarana mba tsy hisy rivotra mangatsiaka miditra tampoka ka hampangatsiaka ny zaza.
-Tsy atao maharitra loatra ny fampandroana ny zazakely. Tsy tokony hihoatra ny 5–10 minitra izany, indrindra rehefa mangatsiaka be ny andro. Ankoatra izay dia mety hahamaina ny hoditry ny zaza ny fandroana lava loatra.
-Tandremana tsara ny fiarovana ny zaza. Tsy azo avela irery anaty rano izy. Tsara raha mampiasa koveta fandroana kely sy mety amin’ny habeny. Atao akaikin’ny mpampandro ny zavatra ilaina rehetra (savony, servieta, akanjo…).
-Karakaraina tsara ny hoditry ny zaza rehefa avy mandro. Fafana moramora amin’ny servieta avy hatrany ny faritra mivalombalona amin’ny vatany mba ho maina. Raha hita fa makiana ny hoditry ny zaza dia afaka mampiasa « crème » na « lotion » manamandina natokana ho an’ny zazakely.

Ireo famantarana manondro fa tsy mahazo aina ny zazakely

Rehefa mampandro zazakely amin’ny ririnina dia misy ireo famantarana mety manondro fa tsy mahazo aina ny zazakely :
-Mangatsiaka na mivonto ny hoditra mandritra na aorian’ny fandroana,
-Mitomany be noho ny fahatsapana mangatsiaka,
-Misy mivaramena na fanaintainana amin’ny hoditra.
Raha miseho matetika ireo famantarana ireo dia tsara raha hahena ny hatetika ny fampandroana ny zaza na koa atao somary mafana kokoa ny efitrano sy ny rano hampandroana azy. Raha misy mampanahy dia aleo manantona mpitsabo mba hahazo ny torohevitra sahaza.

Lire la suite

Articles Similaires