• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Almafil Ameda
Image
Reny&Zaza

Reny mampinono : ilaina tokoa ve ny « tire-allaitement » ?

09/11/2023 11:13 © Moov.Mg

Tsy voatery ho sarahana nono, na ovaina ho « allaitement mixte » ny zaza raha hiverina hiasa ny reniny. Afaka atao tsara ny manome rononon-dreny ny zaza amin’ny fomba hafa ankoatra ny nono amin’ny alalan’ny « tire-allaitement ». Inona no atao hoe « tire-allaitement » ary ahoana ny fomba fanaovana izany ?

Inona no atao hoe « tire-allaitement » ?

Araky ny efa voalaza teo aloha dia fomba iray fanomezana rononon-dreny ny zaza rehefa tsy afaka mampinono ny reny no atao hoe « tire-allaitement ». Arak’izany dia terena ny rononon-dreny dia tehirizina ka iny no omena ny zaza rehefa noana izy nefa tsy eo ny mpampinono. Izany hoe mampinono ny reny isaky ny mila nono ny zaza, ary omena ronon-dreny notehirizina ny zaza rehefa tsy afaka mampinono azy izy. Ny tanjon’ny « tire-allaitement » dia ny mba hisitrahan’ny zaza hatrany ny tombontsoan'ny rononon-dreny.
Mila mampiasa fitaovana manokana kosa nefa rehefa misafidy ny hanao « tire-allaitement ». Marina fa afaka potserina amin’ny tanana ny nono mba hamoaka rononon-dreny. Tsy ampy nefa ny rononon-dreny azo amin’izany ary mety harary ihany koa ilay nono. Ilaina noho izany ny mampiasa « tire-lait » izay fitaovana natokana amin’ny fiterena ny nonon-dreny. Tsara hatrany ny manontany ny rasazy ny fomba fampiasana azy ireny alohan’ny hirosoana amin’izany.

Oviana ny fotoana hiterena ny nono ?

Mila angonina mialoha ny rononon-dreny mba hahafahana manome izany ny zaza rehefa tsy ny reniny mandritra ny tontolo andro. Marihana moa fa miovaova isan'andro sy isaky ny ora ny fatran-dronono mety ho azo rehefa terena ny nonon-dreny. Betsaka kokoa izany ny maraina noho ny hariva.
Raha ny tsara dia 30 hatramin'ny 60 minitra aorian'ny fampinonoana voalohany ny maraina, na 2 minitra aorian'ny nampinonoana no terena ny nonon-dreny. Azo atao arak’izay fotoana mampety koa nefa izany. Terena amin’ny « tire-lait » mandritra ny 20 minitra ny nono 2.

Ahoana ny fomba fitehirizana ny rononon-dreny ?

Tehirizina ao anaty fitoerana madio sy misarona tsara tsy hidiran’ny rivotra sy loto ny rononon-dreny vao avy noterena. Tsy azo tehirizina ao anaty « biberon » satria misy lavaka ny « tétine ». Ampidirina ao anaty vata-fampangatsiahana ny rononon-dreny hotehirizina.
Tandremana mba atao amin’ny faritra mangatsiaka indrindra ary lavitry ny varavaran’ny vata-fampangatsiahana mba tsy ho simba. Tsy azo atao akaikin'ny sakafo manta (hena manta, legioma sy voankazo manta, ...) ilay ronono sao mifindra any aminy ny loto sy aretina mety voatazon'ireny ka hampivalana ny zaza.
Raha hitondra ny ronono hivezivezy dia ny tsara dia manana « glacière » na « sac isotherme » ary vongana glasy miaraka aminy. Tsy azo oentina amin'izao iny rononon-dreny iny ary tsy azo hafanaina mialoha dia oentina anatin'ny « sac isotherme » satria mety misintona baketria mamparary zaza izany raha tsy mikasika amin’ny hatsiaka.
Mila hajaina ihany koa ny fotoana ahafahana mitahiry ny rononon-dreny. Azo tehirizina mandritra ny :
-adiny 4 hatramin’ny adiny 6 raha rononon-dreny vao avy noterena ka napetraka fotsiny tao anaty « biberon » tao amin’ny hefitrano ;
-24 ora raha ao nampirimina tao anaty « glacière » miaraka amin'ny vaingana glasy ;
-6 hatramin'ny 8 andro raha natao tao anaty vata-fampangatsiahana tamin’ny hatsiaka ambanin'ny 4°C.

Ahoana ny fanomezana ny rononon-dreny amin’ny fomba « tire-allaitement » ?

Rehefa hanome ny ronono-dreny amin’ny fomba « tire-allaitement » dia mila hafainaina aloha ilay ronono. Azo atao « bain-marie » na mampiasa « chauffe biberon ». Tandremana kosa mba tsy atao mihoatra ny 60°C ny hafanana mba tsy ho very ny otrikaina ao anatiny. Mazava ho azy fa tsy azo ampangotrahina izany.
Tsy voatery hafanaina ny rononon-dreny avy noterena tsy nampidirina tao anaty vata-fampangatsiahana. Azon'ny zaza tonga dia sotroina izany, na efa mangatsiaka kely aza. Ny antony hanafanana ny ronono omena ny zaza matetika dia satria noho ny fahazaran'ny zaza hoe mafana ny rononon-dreny miditra ny vavany rehefa minono izy.

Lire la suite

Articles Similaires