« Obésité » na hatavezana be loatra : mety manasarotra ny fahazoana zaza
Maro tokoa ankehitriny ny olona tratry ny « obésité » na hoe matavy loatra. Maro ny olana ara-pahasalamana aterak’izany eo amin’ny vatana, ka anisan’izany ny taovam-pananahana. Mety miteraka olana samihafa mety tsy manasarotra ny fahafahana mahazo zaza izy io, na eo amin’ny lahy na ny vavy. Andeha ary ho resahana eto ny mety ho fiantraikan’ny hatavezana be loatra eo amin’ny « fertilité ».
« Obésité » eo amin’ny vehivavy, mety misy fiantraikany eo amin’ny hormonina sy ny « ovulation »
Maro ny vokam-pikarohana manambara ny mety ho fiantraikan’ny « obésité » na hatavezana be loatra eo amin’ny vehivavy manoloana ny « fertilité » na ny fahafahana mahazo zaza. Anisan’izany ny :
-Fikorontanan’ny hormonina. Ny tavy dia mety manakorontana ny famokarana ireo hormonina miandraikitra ny famokarana (oestrogènes, progestérone, androgènes) sy ireo hormonina mpandrindra (insuline, leptine). Io fikorontanana io dia mety manakana ny « ovulation » na mampahalana ity farany ka manasarotra ny fahafahan’ny vehivavy mitoe-jaza.
-« Syndrome des Ovaires Polykystiques (SOPK)». Voalaza fa misy fifandraisana lehibe amin’ny hatavezana be loatra ny SOPK. Ity farany nefa dia isan’ireo antony mahamomba vehivavy maro. Ny vehivavy tratran’izy io sady matavy be loatra matetika dia manao « résistance » amin’ny « insuline » izay vao mainka manakorontana ny hormonina sy « ovulation ».
-Kalitaon’ny « ovocytes » na ny atodin’ny vehivavy. Misy ireo vokam-pikarohana manambara fa mety manimba ny kalitaon’ny « ovocytes » ny hatavezana be loatra na dia misy aza ny « ovulation ». Mety hisy tsy fahatomombanana ny atody na kely ny fahafahany mitombo ara-dalàna.
-Fahafahan’ny vatana mandray ny « traitements de fertilité » toy ny « fécondation in vitro ».
-Fahasarotana mandritra ny fitondrana vohoka. Ankoatra ny fahasarotan’ny fahafahana mitoe-jaza dia mety hampisy fahasarotana mandritra ny vohoka ny hatavezana be loatra. Anisan’izany ny « diabète gestationnel », « prééclampsie », fahafahan-jaza, fiterahana tsy tonga volana.
Manaratsy ny kalitaon’ny ranonaina ny hatavezana be loatra eo amin’ny lehilahy
Tsy dia voaresaka matetika ny fiantraikan’ny hatavezana be loatra eo amin’ny lehilahy manoloana ny fahafahana mahazo zaza. Mety misy fiantraikany lehibe nefa izy io :
-Fikorontanan’ny hormonina. Izany hoe mety mihena ny tahan’ny « testostérone » ary miakatra ny « oestrogènes », ka mety hanasarotra ny fahafahana mahazo zaza sy ny fahamaotian’ny tsirinaina izany.
-Fiovan’ny kalitaon’ny ranonaina. Misy ireo fikarohana manambara fa mety mampihena ny habetsaky ny ranonaina, mampihena ny tanjany ary manova ny endrin’izy ireo ny hatavezana be loatra eo amin’ny lehilahy.
-Olana eo amin’ny fienjanan’ny filahiana ;
-Fiakaran’ny hafanan’ny « scrotale ». Ny tavy be loatra ao amin’ny kibo sy manodidina ny taovam-pananahana dia mety mampiakatra ny hafanan’ny « scrotum » ka mety manimba ny kalitaon’ny tsirinaina.
Ny vahaolana sy ny torohevitra
Marihana fa mety misy fiantraikany tsara eo amin’ny « fertilité » an’ireo olona tratry ny hatavezana be loatra ny fihenanana lanja, eny na dia tsy be dia be àry. Noho izany, mba hampitombo ny « chance » hahazoana zaza ary dia :
Mila amboarina ny fomba fiaina. Mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja ary mampiasa vatana matetika mba hihena ny vatana ;
Manantona mpitsabo mba hahazo manokana mikasika ny « fertilité » mba hahazo ny torolalana sy ny fitsaboana sahaza.