• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Version Femina
Image
Fahasalamana&Sakafo

Olona marenina na manana olana amin'ny fandrenesana : Inona avy ireo tsara ho fantatra ?

02/10/2024 10:06 © Moov.Mg

Maro ny olona marenina na manana olana amin’ny fandrenesana eto amintsika. Miteraka fahasahiranana amin’ny lafiny maro eo amin’ny fiainana andavanandro moa ity karazana fahasembanana ity. Fa inona tokoa moa no atao hoe marenina ? Inona no antony mahatonga izany ? Araho eto ireo tsara fantatra mikasik’izany.

Inona no atao hoe marenina ?

Atao hoe marenina na manana olona amin’ny fandrenesana ny olona iray rehefa mihena ny fahenoany feo na tsy mahare feo mihintsy. Maro ireo anton-javatra mety mahatonga izany, mety ho avy any an-kibon-dreny, fa mety ihany koa noho ny aretina, ratra na vokatry ny olana ara-pahasalamana rehefa miha antitra.
Marihina fa misy karazany roa lehibe ny marenina. Ny voalohany dia ny atao hoe « surdité de transmission » izay olana mitranga eo anivon’ny ivelan’ny sofina na ny eo antenantenany izay manakana ny feo tsy ho tonga ao amin’ny sofina anatiny. Ny karazany faharoa dia ny « surdité de perception » izay olana ao amin’ny atin’ny sofina, ny « nerf auditif » na ny atidoha.
Misy sokajy maro moa ny marenina na ny olan’ny amin’ny fandrenesana. Misy ireo mahare feo ihany fa miankina amin’ny hamafin’izany no re. Arak’izany dia misy ny atao hoe :
-« Surdité faible », izany hoe sahirana maheno feo ambany na feo maranitra ;
-« Surdité moyenne » na ireo sahirana maharaka resaka anatin’ny toerana misy tabataba ;
-« Surdité sévère » izay mila manao « prothèse auditive » vao afaka mahazo ny resaka ;
-« Surdité profonde » izay sahirana mahare feo na efa manao « prothèse auditive ».

Ireo antony mahatonga ny olona marenina

Maro ireo antony mety mahatonga ny olona iray ho marenina na ho lasa manana olana amin’ny fandrenesana.
Raha ny mikasika ny « surdité de transmission » dia mety ho vokatry ny fisian’ny tain-tsofina manentsina ny sofina, ny aretina « otite chronique » izay manimba ny sofina na koa mety loaka ny « tympan ».
Raha ny « surdité de perception » indray dia mety ho vokatry ny fototarazo na ny « génétique », ny fahanterana, ny fijanonana maharitra amin’ny toerana misy feo mafy be, ny aretina tsy voatsabo toy ny méningite, sclérose en plaques…

Inona ny vahaolana ho an’ny olona marenina ?

Mila « adaptation » ny fahafahana miaina anatin’ny olana amin’ny fandrenesana na ny marenina. Misy arak’izany ireo vahaolana afaka manampy ireo olona tratry izany ka anisan’izany ny :
-Fampiasana « appareils auditifs » mba hanamafisana ny feo ho tonga anatin’ny sofina ;
-Ny fanaovana « implants auditifs » ho an’ireo tratry ny « surdité sévère » mba handrisihana mivantana ny « nerf auditif » ;
-Ny fampiasana ny fitenin’ny tanana sy ny famakiana ny teny eo amin’ny vava.

Ireo fomba atao hisorohana izany

Isan’ireo fomba manampy hisorohana ny marenina na ny fahaverezan’ny fandrenesana dia mila arovana tsara ny sofina. Noho izany :
-Arovana amin’ny feo mafy ny sofina. Manao fitaovana fiaroana ny sofina rehefa mandeha mijery fampisehoana na rehefa mijanona maharitra amin’ny toerana misy tabataba mafy ;
-Tsaboina malaky ny « otites » satria mety mahatonga fahasarotana amin’ny fahasalaman’ny sofina izany raha toa ka tsy voatsabo ara-dalàna ;
-Manao fizahana matetika ny sofina raha toa ka misy marenina ny fianakaviana akaiky na raha mijanona matetika sy maharitra amin’ny toerana misy feo mafy.

Lire la suite

Articles Similaires