• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Naturopathe
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mangetaheta ve ? Rano mafana sotroina na mafana aza ny andro !

28/09/2024 12:10 © Moov

Midanika be ny masoandro, indrindra rehefa manomboka amin'ny 10 ora maraina iny. Mora maina ny tenda satria mora mivoaka ny hatsembohana. Matetika dia te hisotro rano ka mahazatra ilay mividy jus glacé iny, na misotro rano mangatsiaka avy hatrany. Raha te ho lavitry ny aretina nefa, ny rano mafana no tena tokony atao namana.

Rano mangatsiaka (tsotra na glacée), miteraka voka-dratsy amin'ny fahasalamana

Voalazan'ireo mpikaroka fa ela velona kokoa ny olona zatra misotro rano mafana. Ireto àry misy voka-dratsin'ny rano mangatsiaka, tsara ho fantatra :
-Manakatona tampoka ireo veines efatra ao amin'ny fo, ka mety hiteraka crise cardiaque. Ampahatsiahivina izany fa tsy tsara loatra ny misotro rano mangatsiaka rehefa avy nitomany na avy manao fanatanjahantena ;
-Miteraka olana eo amin'ny aty (foie), satria mampiraikitra ny menaka ;
-Mamparefo ny vavony sy ny tsinay kely ary ny tsinay be. Miteraka homamiadana rehefa ela ny ela ;
-Mety haha-voan'ny sery/ gripa.
Ireto kosa ny tombontsoa azo avy amin'ny fisotroana rano mafana, indrindra raha sotroina amin'ilay vao mifoha iny izany :
-Manasitrana diabeta ;
-Mampitombo hery isorohana ny homamiadana ;
-Mitsabo vavony marary sady mampahazoto homana;
-Misoroka sy mitsabo ny aretin'ny fo ;
-Misoroka sy mitsabo ny aretin'andoha ;
-Mampihena ny fanaintainana ho an'ireo vehivavy marary kibo rehefa tonga fotoana.

Rano mafana tsotra, fa tsy dite na kafe

Rano mafana tsotra, tsy misy Hanitra na siramamy, no resahina eto. Raha misotro dite izany na kafe, tsy isaina anatin'ny fatran-drano lany isan'andro izany. Amporisihina ny rehetra, na kely na lehibe, hizatra hisotro rano mafana. Efa maro rahateo ireny "thermos" kely mahafatifaty ireny, izay mahazaka rano 0,5 na iray litatra. Azo atao tsara ny mitondra ireny tavoahangy mitazona hafanana maharitra ireny mba hisitrahana rano mafana amin'ny fotoana rehetra.
-Rano mafana manodidina ny 45° C eo ho eo no tsara sotroina
-Rehefa mifoha maraina dia misotro rano mafana iray kaopy aloha, ka afaka 30 na 45 minitra vao misakafo

Lire la suite

Articles Similaires