• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mongraindesucre
Image
Fahasalamana&Sakafo

Voaroihazo : Mampitombo ny hery fiarovana sady be singa mahasalama

24/09/2024 10:40 © Moov

Mitobaka eny an-tsena izao ny voaroihazo. 500 na 700 ariary ny iray kapoaka raha lafo indrindra. Azo hanina fotsiny amin'izao izy rehefa voasasa tsara na anaovana ranomboankazo na kaonfitira.

Araraoty izao fotoana mahavokatra azy izao, noho ireo vokatsoa maro entiny ho an'ny fahasalamana. Ireto avy ny singa ao anatin'ny voaroihazo : vitamina A, C, B1, B2, B3, B6 sy E, ary proteina, kalsioma, potasioma ary manesioma.

Manala fanaintainana

"Anti-inflammatoire" na mpanala fanaintainana ny voaroy hazo. Raha mahare marary matetika any amin'ny taolana ohatra dia tsara raha mihinana voaroihazo matetika. Ireo olona efa nahazo taona ka tsy dia matanjaka firy intsony no tena voakasik'izany. Afaka mihinana tsara io voankazo io ihany koa nefa ireo ankizy sy tanora te hatanjaka tsara, indrindra ireo mpanao fanatanjahantena.

Mampikoriana tsara ny rà

Mahatsara ny kalitaon'ny lalandrà ny voaroy hazo. Noho izany indrindra dia mampikoriana tsara ny rà sady misoroka ny fahatsetsenan'ny lalandrà izy. Misy tahana vy (fer) ambony ihany koa izy io ka miaro ny mpihinana azy amin'ny tsy fahampian-drà (anémie) sy ny fivontosan'ny lalandrà (varice). Voalazan'ireo manampahaizana ihany koa fa manatsara ny fo ihany koa ny voaroihazo.

Manamora ny fandevonankanina

Manankarena rano sy "fibres" ny voaroihazo. Noho izany indrindra dia manamora ny fandevonankanina izy, amin'ny fanatsarana ny fiasan'ny vavony sy ny tsinay. Miaro amin'ny aretin-kibo sy ny "infection urinaire" ihany koa io voankazo io. Raha tsy dia mahazo aina noho ny sakafo saro-devonina sy ny aretin-kibo izany dia mety hanampy ny fihinanana voaroy hazo.

Misoroka ny fahanterana aloha loatra

Miaro ny hoditra tsy hiroraka aloha loatra ny voaroy hazo. Ireo vehivavy no tena liana amin'izany, indrindra ireo mananika ny faha-40 taona ka mahita kentrokentrona ny amin'ny endrika na amin'ny faritra hafa.
Na atao ranomboankazo, na gilasy na kaonfitira na hanina amin'izao ny voaroy hazo, dia tsara ferana ny siramamy ampiasaina, mba hisorohana ny aretina samihafa. Azo atao haingona mofomamy ihany koa io voankazo io.
Tsara ny manamarika fa ireo olona "ambany tension" no tena tsara mihinana azy. Raha ambonimbony ny tosidra dia ferana tokoa ny fihinanana voaroy hazo.

Lire la suite

Articles Similaires