• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Petits Plats De Patchouka
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana gratin de pain matsiro

23/09/2024 16:41 © Moov.Mg

Nahandro iray tena mafilotra nefa mbola vitsy mahafantatra sy manao eto amintsika ny gratin de pain. Mora karakaraina sy tsy dia be masokarena be loatra izy ity nefa dia tena matsiro. Araho ary ny fomba fanaovana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao gratin de pain

-Mofo dipaina 1, mety foana na mofo efa mafy na vaovao ;
-Ronono 20 sl ;
-Atody 2 ;
-Crème liquide 30 sl ;
-Tongolo 1 ;
-Jambon 100 g ;
-Fromazy voakiky 200g ;
-Sira.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro

Tetehana tokony eo ho eo amin’ny 1 sm eo ny mofo ary atao anaty saladier.
Arotsaka anaty bol ny ronono, ny crème liquide, ny atody ary ny sira. Kapohana kely amin’ny fouet mba hifangaro tsara.
Rehefa vita izay dia araraka ao anatin’ilay mofo notetehana teo io fangaro io. Avela hilona mandritra ny 10 minitra.
Alahatra ao anatin’ny lasitra (moule) fanaovana gratin ireo mofo nalona teo. Araraka eo amboniny ny ambin’ny fangaro tavela tanaty saladier izay tsy tafiditra tao anaty mofo.
Tetehana manify boribory ny tongolo ary araraka eo ambonin’ilay gratin.
Arotsaka ao manarak’izay ny jambon notetehana arak’izay endriny itiavana azy.
Farany dia rarahana eo ny fromazy voakiky. Atao rakotra tsara ny mofo.
Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 30 minitra amin’ny hafanana 180°C. Tsara raha nafanaina 15 minitra ny lafaoro vao natsofoka ny gratin de pain.

Lire la suite

Articles Similaires