• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Futura-Sciences
Image
Fahasalamana&Sakafo

Havizanana lava : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « asthénie »

23/09/2024 15:21 © Moov.Mg

Mahatsiaro tena vizaka lava ve na efa ampy torimaso tsara ary ? Maro ny olona tratr’izany. Io fahatsapana harerahana be sy maharitra io no atao hoe « asthénie ». Andeha ary ho resahana eto ireo rehetra tsara fantatatra mikasika izany : ny antony, ny fomba fisehony, ny vahaolana…

Inona no atao hoe « asthénie » ?

Araka ny voalaza teo dia ny fahatsapana havizanana be sy tsy mety misinda no atao hoe « asthénie ». Mahatsiaro tena ho vizaka toy ny tsy malemilemy ilay olona, reraka ny vatany sy ny sainy ary tsy mety ho afaka izany na efa naka aina tsara aza. Samihafa amin’ny havizanana tsotra izy io satria ny havizanana tsotra dia misinda rehefa avy maka aina sy natory. Ny « asthénie » kosa dia mafy kokoa ary sarotra harenina.

Ireo antony mety mahatonga ny « asthénie »

Maro ary misy karazany samihafa ireo antony mety mahatonga ny « asthénie ». Mety ho anisan’izany ny :
-Antony ara-batana toy ny areti-mitaiza. Voakasik’izany ohatra ny homamiadana, ny aretin’ny fo, ny fikorontanan’ny hormonina… Eo ihany koa ny tsy fahampiana fer na vitamina D, ny fikorontanan’ny torimaso, ny otrikaretina maharitra….
-Antony ara-tsaina toy ny rarintsaina, ny tebiteby, ny fahaketrahana… ;
-Antony hafa toy ny fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana na tsy voalanjalanja, ny fihinanana fanafody sasany miteraka havizanana lalina…

Ireo fambara ny « asthénie »

Mety miova arakaraka ny olona sy miankina amin’ny antony mahatonga azy ny fomba fisehon’ny « asthénie ». Isan’ireo fambara matetika fahita nefa ny :
-Havizanana be sy tsy mety misinda ;
-Tsy fahampiana hery ;
-Fahasahiranana mifantoka ;
-Fikorontanan’ny torimaso ;
-Falain-komana ;
-Fahakizintinana ;
-Fihenan’ny filàna ara-nofo.

Ireo fomba atao hampitoniana ny « asthénie »

Miankina amin’ny antony mahatonga azy ny fitsaboana ny « asthénie ». Ilaina arak’izany ny manantona mpitsabo mba ahafahana mikaroka sy mamantatra ny anton’izany sy ny fitsaboana sahaza. Misy ihany nefa ireo torohevitra manampy mba hampitoniana ny « asthénie », toy ny :
-Fakana aina tsara. Izany hoe miezaka ny matory adiny 7 hatramin’ny adiny 8 isak’alina. Atao mangingina sy maizina tsara ny efitra hatoriana ;
-Fihinanana sakafo ara-pahasalamana. Ny voankazo sy ny legioma ary ny proteina no atao ampy tsara isaky ny misakafo mba hiadiana amin’ny tsy fahampiana otrikaina ;
-Fanaovana fanatanjahantena tsy tapaka. Tsy voatery hampiasa vatana be fa ny fandehanana tongotra kely isan’andro dia efa ampy hampitomboana ny hery ;
-Fiadiana amin’ny rarintsaina. Mila miezaka ampitoniana ny saina ka manampy amin’izany ny fanaovana méditation, yoga, respiration profonde, fialana voly…

Lire la suite

Articles Similaires