• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Az
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana salade César

20/09/2024 11:07 © Moov.Mg

Efa tafiditra anatin’ny vaninandro mafana isika izao. Sakafo isan’ny mampangatsitsiaka sy maivana tsara hoanina ny salade. Isan’ireo salade mafilotra sy mahavoky tsara ny salade César. Atoro eto ary ny fomba fikarakarana azy ireny.

Ireo zavatra ilaina raha hanao salade César

Ny ilaina amin’ny sauce César
-Mayonnaise 6 sotro fihinanana ;
-Ronono masaka 1 sotro fihinanana ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Moutarde 1 sotrokely ;
-Atody 1 ;
-Fromazy voakiky 25g ;
-Ranona voasary makirana 1 sotro fihinanana ;
-Tongolo gasy hasiny 1.
Ho an’ny salade
-Salade laitue ;
-Nofon’akoho 2 ;
-Pain de mie silany 2 ;
-Menaka oliva.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana

Ora iray alohan’ny hikarakarana ny salade César dia afangaro daholo ireo akorana fanaovana ny sauce César. Izany hoe atao anaty mixeur ny mayonnaise, ny ronono, ny sira sy dipoavatra, ny moutarde, ny atody efa nandrahoana natao œuf dur, ny fromazy, ny ranona voasary makirana, ny tongolo gasy voakiky. Potserina miaraka ireo akora rehetra ahazoana ny sauce.
Tetehana atao efa-joro kely maro ny pain de mie. Avy eo endasina mandritra ny 2 minitra amin’ny menaka oliva ary avela hangatsiaka.
Tetehana manify ny nofon’akoho ary endasina amin’ny menaka manify mandritra ny 3 minitra dia avela hangatsiaka.
Sasana tsara ny salade laitue ary tetehana somary madinika.
Rehefa vita izay dia atao anaty saladier ny salade laitue, ny pain de mie dia afangaro kely. Manarak’izay dia arotsaka ny sauce César ary aroharoana tsara ifangaro daholo. Azo aroso avy hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires