• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé-Medadom
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny hatsembohana be loatra

20/09/2024 10:41 © Moov.Mg

Toe-javatra voajanahary ilain’ny vatana ny hatsembohana. Izy io dia manampy amin’ny famohana ny loto ao anaty sy amin’ny fandrindrana ny hafanan’ny vatana. Rehefa be loatra kosa nefa ny hatsembohana dia lasa manelingelina sy tsy mampahazo aina. Fa inona tokoa ny antony mahatonga ny hatsembohana be loatra ?

Ireo anton-javatra mahatonga ny hatsembohana be loatra

Rehefa mafana be loatra ny vatana dia mamokatra hatsembohana ny « glandes sudoripares ». Io hatsembohana io no miakatra eo ivelan’ny hoditra ka mampangatsitsiaka. Rano sy sira moa no tena mandrafitra io hatsembohana. Mety mitahiry loto sy bakteria ihany koa izy io. Maro ireo antony mety mahatonga ny « glandes sudoripares » hamotraka hatsembohana be loatra, ka anisan’izany ny :

Ny « génétique »

Misy tokoa ireo karazan’olona mora tsemboka be na dia tsy mampiasa vatana be loatra na koa hoe na tsy mafana be aza ny andro. Efa ny « génétique » an’ilay olona mihintsy no mahatonga io toe-batana mora tsemboka be io. Ny azo atao dia ny manao akanjo maivamaivana rehefa mafana ny andro mba hamerana ny hatsembohana. Tsy adino ny manao madio tsara sy ny manao « déodorant » hiadiana amin’ny fofona hatsembohana.

Hafanana be

Rehefa mafana be ny andro dia mila miasa mafy kokoa ny vatana handrindrana ny hafanany araka ny tokony ho izy. Noho izany dia mety hamokatra hatsembohana betsaka kokoa ireo « glandes sudoripares ». Rehefa tena mafana be ny vatana dia mety mitarika hatsembohana be eo amin’ny helika ny « déodorant », eny na ilay tena tsara aza satria izy io dia manala ny fofona ratsy entin’ny hatsembohana fotsiny ihany.

Ny fanatanjahantena

Mandritra ny fanatanjahantena dia mamokatra hafanana ny hozatra. Mba hampangatsitsiaka ny vatana dia lasa mamokatra hatsembohana be ny « glandes sudoripares ». Tranga ara-dalàna ny famokaran’ny vatana hatsembohana betsaka mandritra ny fanantanjahantena. Tsy tsara noho izany ny mampiasa ireny « anti-transpirant » ireny hanakanana ny famokarana hatsembohana. Ny fanaovana « déodorant » dia ampy hiadiana amin’ny fofona ratsy.

Ny fahazarana ara-tsakafo

Misy fiantraikany eo amin’ny famokaran’ny vatana ny hatsembohana ihany koa ny fahazarana ara-tsakafo. Misy ireo karazana sakafo mety mampitombo ny hatsembohana eo amin’ny olona sasany. Anisan’izany ohatra ny sakafo masitsiaka na misy « épices ». Ireto farany dia mitahiry singa mandrisika ny fahatsapana hafanana ao anatin’ny vatana. Raha izany no mitranga dia mamokatra hatsembohana betsaka ny « glandes sudoripares ». Mitovy fiantraikany amin’izany ihany koa ny sakafo be siramamy satria izy ireo dia mampitombo ny famokarana ny « insuline » ka mampiakatra ny habetsaky ny hatsembohana.

Lire la suite

Articles Similaires