• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Akany Cooking
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana catless ovy sy toton-kena

03/09/2024 16:41 © Moov.Mg

Nahandro iray azo atao tsakitsaky na atao laoka ny catless ovy sy toton-kena. Maro moa ny mpivarotra hanimasaka ahitantsika azy ireny nefa hafa foana ny manamboatra izany ao an-trano. Araho ary ny fomba tsotra hanaovana catless matsiro sy mora karakaraina.

Ireo zavatra ilaina raha hanao catless ovy sy toton-kena

-Toton-kena 250g ;
-Ovy fahandro 500g ;
-Tongolo gasy hasiny 4 ;
-Menaka 1 sotro fihinanana ;
-Kotomila ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Lafarina 1 kaopy lehibe ;
-Atody 2 ;
-Menaka hanendasana.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana tsara ny ovy mba hiala avokoa ireo tany aminy. Andrahoina miaraka amin’ny hodiny anaty vilany sy rano mandifotra tsara ireo ovy. Avela hangotraka mandritra ny 20 hatramin’ny 30 minitra. Tsindromina amin’ny sotrorovitra ka raha mora milentika dia masaka izy izay. Tsy avela ho malemy be ny ovy.
Etsy andaniny, tetehana manify ny tongolo gasy. Hafanaina anaty lapoaly ny menaka 1 sotro fihinanana. Endasina miaraka ao ny toton-kena sy ny tongolo gasy. Asiana sira sy dipoavatra. Endasina mandritra ny 5 minitra eo ho eo dia bataina.
Rehefa masaka ny ovy dia loharana ary atao mandalo rano mangatsiaka mba tsy hampijanona ny fahamasahany. Vohasana ireo ovy ary atao anaty saladier. Potserina amin’ny sotro rovitra mba ho potsitra daholo.
Arotsaka ao anatin’ny ovy ny toton-kena sy ny kotomila efa voatetika madinika. Asiana sira sy dipoavatra kely. Afangaro amin’ny tanana ireo akora rehetra mba hitambatra. Rehefa vita izay dia volavolaina ahazo catless arak’izay habeny hitiavana azy.
Kapohana anaty lovia somary jobo ny atody ary asiana sira kely. Atao anaty lovia hafa ny lafarina. Hafanaina ny menaka hanendasana. Rehefa mamay ny menaka dia atsoboka anatin’ny atody ny catless iray avy eo atsoboka anatin’ny lafarina alohan’ny ametrahana azy moramora anatin’ny menaka mamay. Atao izay avokoa ireo catless.
Rehefa miova loko somary « dorée » dia avadika. Rehefa masaka dia tsihifina tsara ary loharana anaty lovia. Tsara raha asiana « papier absorbant » eo ambonin’ny lovia handoarana azy mba hitroka ny menaka mihoatra amin’ireo catless.
Fanamarihana : ovy fahandro toy ny ovy manga no ampiasaina fa tsy ovy fanendy manjary tsy mivoaka tsara ny nahandro.

Lire la suite

Articles Similaires