• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo vokatsoa entin’ny manga ho an’ny vatana sy ny fahasalamana

03/09/2024 14:17 © Moov.Mg

Isan’ny voankazo be mpankafy ary vokatra betsaka eto amintsika ny manga. Toy ireo voankazo miloko mavo sy volomboasary rehetra dia manankarena otrikaina tokoa izy ireny. Arak’izany dia maro ireo vokatsoa entin’ny ho an’ny vatana sy ny fahasalamana. Araho ary !

Mampitombo sy manamafy ny hery fiarovana

Ny manga dia voankazo iray mitahiry vitamina C sy vitamina B amin’ny tahany ambony. Ny vitamina C moa dia fantatra amin’ny fiasany eo amin’ny fanamafisana sy fampitomboana ny hery fiarovana. Manampy izany fiasan’ny vitamina C izany ihany koa ny vitamina B. Ity farany moa etsy andaniny dia mandrisika ny famokaran’ny vatana ny tanjaka ary mampihena ny havizanana.

Mikolokolo ny fahasalaman’ny fo

Ny fihinanana manga matetika dia manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny fo. Voankazo isan’ny be « fibres digestes » toy ny « pectine » ny manga. Ireo karazana fibra ireo dia mampihena ny cholestérol ratsy ao anaty lalandrà. Ankoatra izay dia mitahiry potassium betsaka ihany koa ity voankazo ity. Ny potassium dia mampilamina ny tosidrà ary mandrindra ny fodoboky ny fo.

Manatsara ny fandevonan-kanina

Araky ny vokam-pikarohana maro nataon’ireo manam-pahaizana any ivelany dia voalaza fa mampitony ny olona mitohana matetika na hoe manao « constipation chronique » ny fizarana mihinana manga. Voalaza ihany koa fa manatsara ny fiasan’ny taova fandevonan-kanina ihany koa ity voankazo ity noho izy mitahiry fibra, rano sy antioxydants betsaka.

Miaro ny fahasalaman’ny maso

Voankazo isan’ny manankarena « caroténïdes » ihany koa ny manga. Ny « caroténoïdes » dia isan’ireo singa misahana ny fahasalaman’ny maso. Ny « lutéine » sy « zéaxanthine » entin’izy ireo dia mandray anjara amin’ny fiarovana ny maso amin’ny taratry ny masoandro sy ny « lumière bleue » avy amin’ireo karazana écrans ampiasaintsika amin’ny andavanandro. Ireo singa roa ireo koa dia tena ilaina amin’ny fiarovana ny fiadiana amin’ireo karazana aretin’ny maso miseho rehefa miha antitra.

Lire la suite

Articles Similaires