• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cookomix
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana cake salé au jambon et aux olives

02/09/2024 16:18 © Moov.Mg

Isan’ny tsakitsaky maro mpankafy ny cake. Ho an’ireo izay tsy tia sakafo mamy dia matsiro ihany koa ny cake salé. Ny mahatsara azy ireny moa dia azo asiana fangaro isan-karazany ao aminy hanomezana tsiro azy. Ny fanaovana cake salé au jambon et aux olives ary no atoro eto indray.

Ireo zavatra ilaina raha hanao cake salé au jambon et aux olives

-Lafarina 150g ;
-Levure 1 fonosana ;
-Menaka oliva 1 sotro fihinanana ;
-Fromazy voakiky 75g ;
-Jambon notetehana en dés 150g ;
-Sira ;
-Olives maitso tsy misy vaoniny 150g ;
-Atody 4 ;
-Ronono 10 sl.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
Tetehana boribory ny olives. Tsy atao manify loatra nefa tsy atao matevina be ihany koa, tokony manodinina ny 3 mm eo ho eo.
Atao anaty saladier ny lafarina ary arotsaka ao ny atody sy ny sira amin’ny fatra itiavana azy. Tsy atao be sira loatra. Aroharoana amin’ny fouet mba hifangaro.
Alefa ao indray ny ronono efa masaka sy mangatsiaka ary ny menaka. Kapohana amin’ny fouet mba hifangaro tsara daholo.
Arotsaka ao anatin’io fangaro io manarak’izay ny jambon, ny olives ary ny fromazy voakiky. Afangaro tsara amin’ny fouet.
Alefa ao indray ny levure ary tohizana afangaro tsara. Vonona ny paty rehefa hita fa mifangaro tsara daholo ireo akora rehetra.
Osorana dibera na menaka ny lasitra na ny moule à cake. Araraka ao ny paty. Tsy atao feno be fa tokony eo amin’ny antsany mahery kely fotsiny satria mbola hitombo ny cake rehefa masaka.
Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 45 minitra. Tsindromina amin’ny lohan’antsy ka rehefa tsy misy paty manaraka intsony dia vita izy izay. Raha mbola misy manaraka dia ampiana kely ny fotoana andrahoana azy.

Lire la suite

Articles Similaires