• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Fahasalamana&Sakafo

Homamiadan’ny nono : ireo tsara fantatra mikasik’izany

02/09/2024 14:12 © Moov.Mg

Aretina iray isan’ireo mahafaty betsaka indrindra ny vehivavy ny homamiadan’ny nono. Matetika dia ny fandraisan-tanana tara loatra no mahasarotra tsaboina azy io. Ho resahana eto ary ireo fambaran’ny homamiadan’ny nono ary ireo torohevitra hiadiana amin’izany.

Ireo fambaran’ny homamiadan’ny nono

Araka ny voalaza teo dia mora kokoa ny mitsabo sy manasitrana ny homamiadan’ny nono raha toa ka voaray an-tanana aloha izany. Ireto manaraka ireto ary ireo fambara tokony mampamalina :
-Misy tsiranoka mivoaka amin’ny lohanono ;
-Lasa mora hita ny lalandrà amin’ny nono ;
-Misy mivonto na mamatovato tsy mety mihena ao anatin’ny nono ;
-Lasa mivonto sy mivaramena ary mafana ;
-Lasa misy miletika amin’ny faritry ny nono ;
-Lasa tsy mitovy ny haben’ny vatanono ;
-Lasa miova ny lokon’ny lohanono ;
-Mihamatevina na misy fery miforona eo amin’ny vatanono ;
-Miova ny endriky ny nono ka lasa tsy mitovy.
Raha misy ny iray amin’ireo fambara ireo mitranga dia mila manantona gynécologue na cancerologue avy hatrany ary tsy mangatak’andro. Ireo mpitsabo manokana ireo no manao ny fizahana sy ny fitiliana manamarina ny fisian’ny homamiadan’ny nono. Izy ihany koa no manatanteraka ny fitsaboana mifanaraka amin’izany.

Ireo torohevitra mba hiadiana amin’ny homamiadan’ny nono

Mba hiadiana amin’ny homamiadan’ny nono dia ny fisorohana no tsara indrindra. Arak’izany dia mila fadiana ireo zavatra hevirina fa mampitombo ny risika ahazoana ity aretina ity, toy ny fifohana sigara, ny fisotroana toaka be loatra, ny tsy fanaovana fanatanjahantena, ny fanarahana fitsaboana mampiasa hormonina maharitra loatra…
Mila manatanteraka fizaham-pahasalamana matetika ihany koa mba ahitana mialaho raha vao manomboka ny homamiadan’ny nono. Izany dia mba hahamora ny fitsaboana sy ny fanasitranana ity aretina ity. Raha efa mandroso lavitra sy mihanaka tokoa mantsy ny homamiadan’ny nono dia sarotra tsaboana ka mety mahafaty. Arak’izany dia mila :
-Manantona gynécologue indray mandeha isan-taona hizaha fahasalamana.
-Mamao mammographie na fitarafana nono isaky ny 2 taona, indrindra manomboka eo amin’nyfaha 50 taona ;
-Mitsapa sy mizaha ny nono indray mandeha isam-bolana ny vehivavy tsirairay mba ahitana raha misy amin’ireo fambara voalaza teo ambony ireo.

Lire la suite

Articles Similaires