• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bienêtre
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny vitamina B

02/09/2024 10:56 © Moov.Mg

Misy karazany 8 ny vitamina B ary isan’ireo vitamina tena ilain’ny vatana izy ireo. Tsy mamokatra azy ireny nefa ny vatana ka avy any amin’ny sakafo no ahazoana azy. Fa inona tokoa ary ireo vokatsoa azo avy amin’ny vitamina B ?

Fampihenana ny havizanana

Marihana fa samy manana ny fomba fiasany eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana ny vitamina B tsirairay. Ny ankamaroan’izy ireo nefa dia mandray anjara amin’ny famokarana ny tanjaka eo amin’ny vatana. Arak’izany dia misy fiantraikany amin’ny fampihenana ny havizanana ny fahampiana vitamina B. Mazava ho azy fa raha tsy ampy ity farany dia mety mahatonga arerahana lava.

Fiadiana amin’ny rarintsaina

Toy ny magnésium dia manampy amin’ny fampitoniana ny rarintsaina sy ny tebiteby ihany koa ny vitamina B. Ny rarintsaina dia mety miteraka tsy fahampiana vitamina B ka mety lasa mampitombo ny tebiteby izany. Raha izany no mitranga dia mety hisy soritr’aretina hafa miseho toy ny fahalain-komana, ny fahakizitinana, ny fahalainana…

Fikolokoloana ny fahasalaman’ny hoditra

Manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny hoditra ihany koa ny vitamina B. Satria moa samy manana ny anjara asan’ireo vitamina B tsirairay dia samy ilaina ireo karazany rehetra. Ho an’ny fikarakarana ny hoditra manokana dia fantatra fa manome rano na manome « hydratation » izany ny vitamina B5, B6 ary B12. Tsara arak’izany raha vokatra ahitana azy ireo no ampiasaina hikarakarana ny hoditra.

Ireo karazana sakafo manankarena vitamina B

Ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja no ahafahana mahazo ny fatran’ny vitamina B ilain’ny vatana isan’andro. Raha ny vitamina B12 manokana dia ny hena, ny trondro, ny taovan-kena, ny vokatra azo avy amin’ny ronono ary ny atody no tena ahitana azy.
Ny vitamina B9 indray dia hita anatin’ireo voamaina, legioma ravina sy atin’akoho amam-borona. Ny vitamina B8 dia ny fromazy, ny olatra ary ny atody no tena misy azy. Raha ny vitamanina B6 kosa ny ankamaroan’ny voankazo, legioma, céréales sy vary no mitahiry azy.
Ny vitamina B3 dia hita ao anatin’ireo hazan-dranomasina, ny vitamina B2 dia hita anatin’ny vokatra azo avy amin’ny ronono sy ny atody ary vitamina B1 kosa dia misy anatin’ny céréales complètes, ny hena ary ireo « oléagineux ».

Lire la suite

Articles Similaires