• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine-Journal Des Femmes
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « pâte à choux »

29/08/2024 15:38 © Moov.Mg

Karazana mofomamy matsiro tokoa ny « pâte à choux » ka dia maro ny mankafy azy ireny. Saika ahitany azy ireny avokoa ireo mpivarotra mofomamy rehetra. Ho an’ireo maniry hanamboatra « pâte à choux » ao an-trano ary dia atoro eto ny fomba tsotra fanaovan’izany.

Ireo akora ilaina raha hanao « pâte à choux »

-Lafarina 150g ;
-Ronono masaka sy efa mangatsiaka 250ml ;
-Atody 4 ;
-Dibera 200g ;
-Siramamy 1 sotro fihinanana ;
-Sira 1 tsongo.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Ataingina eo ambony afo malefaka ny ronono, dibera, siramamy ary sira.
Vao mangotraka ny ronono ary levona ny dibera dia arotsaka ny lafarina. Esorina ambony afo avy eo afangaro tsara amin’ny fouet.
Afanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
Tohizana afangaro tsara ny paty nokarakaraina teo ka rehefa tsy misy entona mivoaka intsony ary tsy misy miraikitra amin’ny vilany intsony dia vonona izy izay.
Afindra anaty robot mixeur ilay paty ary arotsaka tsirairay ny atody sady ahodina ny robot. Rehefa hita fa manome toy ny vavam-borona ilay paty rehefa ingaina ny lohan’ny robot dia vonona.
Loharana anaty poche à douille ny paty ary alahatra eo ambonin’ny plaque de cuisson nasiana papier sulfurisé.
Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 30 hatramin’ny 40 minitra eo ho eo.
Rehefa vita izay dia asiana ny « garnitures » izay tiana na atao mamy na masira mety foana.

Lire la suite

Articles Similaires