• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ôdélices
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « galette bretonne »

28/08/2024 17:31 © Moov.Mg

Isan’ireo karazana tsakitsaky ankafizin’ny ankizy, eny na ny lehibe ihany koa, ny « galette bretonne ». Azo atao gouter fa azo atao sakafo maraina ihany koa izy ireny. Raha maniry hanao « galette bretonne » ao an-trano ary dia atoro eto ny fomba tsotra hikarakarana izany.

Ireo akora ilaina raha hanao « galette bretonne »

-Lafarina 250g ;
-Levure antsasaky ny fonosana 1 ;
-Siramamy 150g ;
-Atody 1 sy tamenak’atody 1 ;
-Dibera demi-sel 125g.
-Tamenak’atody 1 notapohana rano kely hanomezana loko ny « galette ».

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Afangaro anaty lovia jobo lehibe na anaty saladier ny lafarina, levure sy ny siramamy.
Tetehana ny dibera ary arotsaka anatin’ilay fangaro anaty saladier. Afangaro amin’ny lohan’ny rantsantanana ny dibera sy ilay fangaro teo mba ahazoana fangaro mamasipasika.
Arotsaka ao manarak’izay ny atody sy ny tamenak’atody. Volavolaina tsara amin’ny tanana mba hifangaro. Avy eo volavolaina ahazo boribory lehibe iray. Fonosina film alimentaire ary avela hipetraka 30 minitra anaty vata fampangatsiahana.
Rehefa vita izay dia velarina somary fisaka ambony latabatra norarahana lafarina ilay paty. Tsy atao fisaka loatra. Avy eo tetehana amin’ny emporte-pièce na amin’ny lohan’ny vera ahazoana ny endriky ny « galette ».
Asiana papier sulfurisé eo ambonin’ny plaque de cuisson. Alahatra eo ireo « galette » manta. Osorana ilay tamenak’atody notapohana rano kely ny tampon’ireo « galettes » tsirairay. Somary soritana kely amin’ny sotro rovitra mba hanomezana endrika azy.
Andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C mandritra ny 15 hatramin’ny 20 minitra eo ho eo.

Lire la suite

Articles Similaires