• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Progrès
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fambara ahafantarana fa manao AVC ny olona iray

28/08/2024 11:20 © Moov.Mg

Ny AVC dia fahaferezana tampoka ny iray na ny maro amin’ny fiasan’ny atidoha vokatry ny fahatapahana na fahatsentsenan’ny lalan-drà ao amin’ny loha. Matetika dia miseho tampoka ny AVC nefa koa mety misy ihany ireo famantarana fampitandremana mitranga.

Ireo famantarana fampitandremana ny AVC

Anisan’ireo famantarana fampitandremana fa efa manakaiky ny AVC ny hoe volivoly ny tarehy sy ny rantsam-batana. Izany hoe toy ny torovona ny hozatry ny tanana sy ny tongotra, volivoly na tsy afaka mihetsika ny ilan’ny tarehy na ny sandry. Mety miseho eo amin’ny 1 volana alohan’ny hitrangan’ny fahatapahana na fahatsentsenan’ny lalan-drà ao amin’ny loha moa izany.

Ny fisehon’ny fahatapahan’ny lalan-drà amin’ny loha

Marihana fa misy karazany roa ny AVC. Ny karazany voalohany dia ilay atao hoe « AVC hémorragique » na hoe tapaka ny lalan-drà ao amin’ny loha. Raha izany mahazo ilay marary dia toy izao ireo fambara mety hitranga tampoka :
-Mivilana ny vava ;
-Malemy sy volivoly ny ilan’ny tarehy ka lasa tsy afaka mitsiky ary toy ny milatsaka ny ilan’ny molotra ;
-Torovana sy volivoly ny sandry ilany na ny tongotra ilany ;
-Marary be ny an-doha ;
-Tsy ara-dalàna ny fitempon’ny fo ;
-Sahirana rehefa miteny ary sarotra mahazo resaka rehefa resahana.

Ny fambaran’ny fahatsetsenan’ny lalan-drà

Ny karazana AVC faharo dia ilay atao hoe « AVC ischémique transitoire » na ny fahatsentsenan’ny lalan-drà ao amin’ny loha. Raha mitranga izany dia toy izao ny miseho amin’ilay marary :
-Volivoly ny tarehy ;
-Volivoly ary torovana ny sandry ilany ;
-Lasa toy ny maivana kely tsy mahazaka tena ny tongotra ilany ka tsy mahavita mamindra na mijoro tsara ;
-Mihena na lasa manjavozavo ny fahitana ;
-Tsy mahavita miteny tsara fa toy ny miraikitra ny lela na lasa mihakely ny feo.
Raha misinda afaka minitra vitsy ireo fambara ireo dia mety hoe ny zavatra nanakana ny fikorian’ny rà tao anatin’ny atidoho. Mila manantona mpitsabo malaky hatrany nefa fa tsy miandry na dia toy ny nandalo fotsiny ihany azy ireo fambara ireo satria mety mbola hiverina izany ary hivadika ho AVC.

Lire la suite

Articles Similaires