• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo vokatsoa entin’ny épinards ho an’ny vatana sy ny fahasalamana

27/08/2024 11:45 © Moov.Mg

Karazana anana vokatra eto amintsika ny épinards. Maro no tia mihinana azy ireny fa betsaka ihany koa ireo tsy mankafy. Ilaina nefa ny mihinana azy ireny satria maro ny vokatsoa entiny ho an’ny vatana sy ny fahasalamana. Araho eto ary ireo tsara fantatra mikasika izany.

Mikolokolo ny fahasalamana amin’ny ankapobeny

Ny épinards dia mitahiry otrikaina sy mineraly maro, toy ny ny vitamines A, C sy K, fer, magnésium sy potassium. Arak’izany dia mandray anjara amin’ny fanamafisana ny hery fiarovana ny fihinanana matetika azy. Ankoatra izay dia manatsara ny fitomboan’ny sela ary mitazona ny fahasalaman’ny taolana izany. Ny antioxydants hita ao amin’ny dia miady amin’ny « radicaux libres » izay mahatonga ny fahanteran’ny sela aloha loatra sy ny fipoitran’ireo areti-mitaiza samihafa. Mitahiry fibres amin’ny tahany ambony manatsara ny fandevonan-kanina ihany koa ity karazana anana ity.

Miaro ny fahasalaman’ny fo

Noho izy betsaka potassium dia manampy betsaka amin’ny fandrindrana ny tosi-drà ny épinards. Noho izany dia mampihena ny « risques » mety hahavoa ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà ny fihinanana azy ireny matetika. Etsy andaniny dia manampy amin’ny fitazomana ny tahan’ny « cholestérol » amin’ny antonony ihany koa izy io.

Mikolokolo ny fahasalaman’ny maso

Ahitana singa atao hoe « Lutéine » sy « Zéaxanthine » ihany koa ao anatin’ny épinards. Izy ireo dia « pigments » miaro ny « rétine » ka mampihena ny « risque » mety mahatonga aretin’ny maso rehefa miha mahazo taona. Manampy amin’ny fisorohana ny « cataractes » ihany koa ny fizarana mihinana ity karazana anana ity.

Ahoana ary ny fomba fihinanana épinards hisitrahana ireo vokatsoa ireo ?

Mba hisitrahana ireo vokatsoa azo avy amin’ny épinards dia ireto atoro manaraka ireto ary ny fomba tokony hinanana azy :
-Hoanina manta na masaka. Afaka ampiasaina amin’ny karazana sakafo ny épinards, izany hoe atao amin’ny salades, smoothies, lasopy, quiches…
-Ovaovaina ny fanamasahana azy. Azo andrahoina amin’ny entona, endasina atao saosy, atao gratin…Karakaraina amin’ny amin’ny fomba samihafa mba tsy hankaleo.
-Afangaro amin’ny sakafo be otrikaina sy mineraly hafa, toy ny voasary makirana, ny poivrons… mba ahazoana vokatra tsara kokoa.

Lire la suite

Articles Similaires