• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Centre Main Aix En Provence
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny « phlegmon » mahavoa ny rantsan-tanana

26/08/2024 14:57 © Moov.Mg

Aretina iray mbola vitsy mahafantatra ny « phlegmon » mahavoa ny rantsan-tanana. Raha tsy voatsabo izy ity dia mety lasa tsy afaka miforitra na mitsotra tsara intsony ny rantsan-tanana ary mety hikainkona tsy afaka ahetsika ihany koa. Fa inona tokoa moa ny « phlegmon » mahazo ny rantsan-tanana ? Inona no mety mahatonga azy ary ahoana ny fitsaboana izany ?

Inona no atao hoe « phlegmon du doigt » ?

Ny « phlegmon du doigt » na « phlegmon » mahavoa ny rantsan-tanana dia otrikaretina na « infection » vokatrin’ny fitomboan’ny mikraoba na bakteria anatin’ny « gaine » mamono ny « tendon ». Marihana fa tsy ny rantsan-tanana ihany no mety ho tratry ny « phlegmon » fa mety mahavoa faritra hafa amin’ny vatana ihany koa izy io, toy ny nify, ny tenda, ny hoditra… Raha ny rantsan-tanana no tratr’izany dia lasa mivonkona ity farany.
Maro ny antony mety mahatonga io « phlegmon du doigt » io, toy ny hoe :
-Nisy ratra kely teo amin’ny tanana dia lasa nanonitra satria tsy notsaboina tsara ;
-Nisy « panaris », izay aretina mahazo ny manodidina ny hoho, ka tsy notsaboina tsara ;
-Malemy ny hery fiarovana ka tsy mahavita miady amin’ny « infection » raha nisy ratra kely nahazo.

Ahoana ny fisehon’ny « phlegmon » mahavoa ny rantsan-tanana ?

Anisan’ireo fambara ahafantarana fa tratry ny « phlegmon » mahavoa ny rantsan-tanana ny olona iray raha toa ka :
-Mivokona na mivonto ny rantsan-tanana iray ;
-Manaintaina raha tsindriana ;
-Marary rehefa ezahana atsotra na aforitra ilay rantsan-tanana ;
-Manaintaina toy ny mitempo izy io, indrindra amin’ny alina ;
-Manavy ;
-Mangovitra.

Ahoana ny fitsaboana ny « phlegmon » ?

Miankina betsaka amin’ny fahasarotana sy ny faritra misy azy ny fitsaboana ny « phlegmon ». Amin’ny ankapobeny dia mety mila « antibiotiques » hiadiana amin’ny otrikaretina sy « anti-inflammatoires » hampihenana ny fanaintainana. Matetika nefa tsy sitran’ny fanafody ny « phlegmon » eo amin’ny rantsan-tanana ka mety mila fandidiana hanesorana ny nana sy hanadiovana ny faritra misy « infection ». Arak’izany, mila manantona mpitsabo raha vantany mahatsikaritra ireo fambara voalaza ireo fa tsy mangatak’andro.

Lire la suite

Articles Similaires