• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rural Northwest Health
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny aretina « Variole du Singe »

22/08/2024 12:20 © Moov.Mg

Valanaretina iray miparitaka be aty Afrika ankehitriny « Variole du Singe ». Amin’ny ankapobeny dia azo sitranina tsar aizy io nefa koa mety mahatonga fahasarotana ara-pahasalamana ho an’ireo olona marefo tratr’izany. Fa inona tokoa moa ny aretina « Variole du Singe » ? Ahoana ny fifindrany sy ny fisehony ? Inona ny fisorohana azo atao ?

Inona no atao hoe aretina « Variole du Singe » ?

Ny « Variole du Singe » dia aretina iray mahazo ny biby, indrindra ny « rongeurs », mifindra amin’ny olombelona. Mahatonga aretin’ny hoditra miseho amin’ny alalan’ny mibontsimbontsina manaintaina miparitaka maro eran’ny vatana moa ny viriosin’ny « Variole du Singe ». Ankoatra izay dia mampisy atodintarina sy fanaviana. Mety ho sitrana ho azy ity aretina ity afaka 2 na 3 herinandro ho an’ireo marary matanjaka ny hery fiarovana. Ho an’ireo marefo kosa dia mety misy fahasarotana ity aretina ity ka mitarika hatramin’ny fahafatesana.

Ahoana ny fifindran’ny « Variole du Singe » ?

Aretina isan’ny mora mifindra tokoa ny « Variole du Singe » ka izay no antony mahatonga azy ho mora miparitaka. Ity aretina ity dia mifindra amin’ny alalan’ny :
-Ny firaisana ara-nofo ;
-Ny fofonaina na ny piti-drora ;
-Ny fikasohana ilay fery ;
-Ny fikitihana fitaovana na zavatra nampiasain’ny marary ;
-Ny fifampikasohana mivantana amin’ny biby mitondra ilay tsimokaretina.

Ahoana ny fomba fisehon’ny aretina « Variole du Singe » ?

Raha voan’ny aretina « Variole du Singe » ny olona iray dia toy izao ny fomba fisehon’izany :
Rehefa tafiditra anaty vatana ilay viriosin’ny « Variole du Singe » dia afaka eo amin’ny 12 andro eo vao miseho ny fambara voalohany.
Lasa mafana hoditra, marary andoha, manakotsako ny vatana ary mahatiaro tena reraka nefa tsy nampiasa vatana be. Maharitra eo amin’ny 4 andro eo ireo soritr’aretina ireo. Manomboka mamindra ny « Variole du Singe » vantany vao miseho ireo fambara ireo.
Aorian’io 4 andro io dia manomboka mipoitra tsikelikely ireo mibontsimbontsina eo amin’ny hoditra. Maharitra eo amin’ny 14 andro hatramin’ny 1 volana ny fisian’izy ireo. Miparitaka eraky ny vatana izany ka mety ho tratra avokoa ny vatana iray manontolo. Matetika dia eo amin’ny tarehy, ny lamosina, ny felatanana, ny felatongotra, ny elakelam-pe… no tena misy azy. Lasa mivonto ihany koa ny atodintarina ny elika, tenda, elakelam-pe…

Ahoana ny atao hisorohana izany ?

Mba hisorohana ny aretina « Variole du Singe » dia :
-Fadiana arak’izay azo atao ny mifanerasera sy mifampikasoka amin’ny olona mitondra na ahiana mitondra io tsimokaretina io ;
-Manao « cache-bouche » rehefa amin’ny toerana be olona ;
-Hajaina ny elanelana 1 metatra ;
-Sasana tsara hatrany ny tanana ;
-Fadiana ny manao reraka be sy tsy ampy torimaso ary sakafo ara-pahasalamana hatrany ny hoanina mba tsy ho mora andairan’ny aretina.
Mila manantona mpitsabo avy hatrany raha miseho ireo fambara voalaza ireo. Efa misy moa ny fitsaboana sahaza io aretina io ka azo sitranina tsara izany.

Lire la suite

Articles Similaires