• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé Magazine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fivontosan’ny tongotra : ireo tsara fantatra mikasik’izany

21/08/2024 14:12 © Moov.Mg

Maro no efa tratr’izany fivontosan’ny tongotra izany. Misy fotoana izy io manjavona tampoka tsy natao inoninona. Fa inona tokoa no antony mahatonga ny tongotra mivonto ? Inona no tokony atao manoloana izany ?

Misy karazany roa ny fivontosan’ny tongotra

Atao hoe mivonto ny tongotra rehefa mitombo habe ny eo amin’ny tampon-tongotra, ny ranjo na ny manodidina azy ireo. Misy karazany roa moa ny fivontosan’ny tongotra :
Ny voalohany dia fivontosana tsy marary ary somary malemy rehefa tsapaina. Midina ambany miankina amin’ny fitoeran’ny tongotra io fivontosana io. Raha tsindriana dia misy marika mijanona eo aminy ary matetika dia ny tongotra roa no misy azy.
Ny faharoa dia fivontosana mihenjana ary mafimafy rehefa tsapaina. Manaintaina izy io ary somary mena. Tsy miova ny faritra misy azy na mihetsika ary ny fitoaran’ny tongotra. Amin’ny ankapobeny dia ny tongotra ilany ihany no misy azy.

Ireo antony mety mahatonga ny fivontosan’ny tongotra

Samy manana ny antony manokana mety mahatonga azy ireo karazana fivontosan’ny tongotra voalaza ireo.
Raha fivontosana malemy dia ireto avy no mety mahatonga azy :
-Misy tsy fahatomombanana ny fo ;
-Misy tsy fahatomombanana ny aty ;
-Misy tsy fahatomombanana ny voa ;
-Tsy fahampiana ara-tsakafo maharitra.
Eo amin’ny vehivavy dia mety miteraka ity fivontosana malemy eo amin’ny tongotra ity ihany koa ny « tumeur de l’ovaire ».
Raha ilay karazana fivontosana mafy kosa dia ireto manaraka ireto no mety mitarika izany :
-Misy tsentsina na voatsindry ny lalandrà ao amin’ny tongotra. Io lalandrà io nefa no mitondra ny rà miverina any amin’ny fo ka raha tsy mikoriana tsara dia mampivonto ny tongotra ;
-Misy voadona na misy « inflammation » eo amin’ilay faritry ny tongotra mivonto ;
-Misy otrikaretina miteraka fanindriana ny lalan’ny « lymphe » eo amin’ilay tongotra.

Inona no tokony atao manoloana izany ?

Raha misy mivonto eo amin’ny tongotra dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo mba hamantarana ny mety ho anton’izany. Arak’ireo voalaza ireo dia maro ireo aretina na tsy fahatomombanana ara-pahasalamana mety mahatonga izany ka tsy tokony hangatak’andro amin’ny fizahana azy sy ny fitsaboana mifandraika amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires