• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Journal Des Femmes Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny mokonazy na « jujube »

13/08/2024 11:41 © Moov.Mg

Vokatra betsaka eto amintsika ny mokonazy ka any amin’ny faritra avaratra andrefana iny no tena ahitana azy. Isan’ireo voankazo manankarena otrikaina sy fibra moa izy ireny. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo vokatsoa maro entin’ny mokonazy na « jujube » ho an’ny vatana sy ny fahasalamana.

Mampitombo sy manamafy ny hery fiarovana

Ny fihinanana mokonazy matetika dia manampy amin’ny famokarana sy fanamafisana ny hery fiarovan’ny vatana noho izy mitahiry vitamina C amin’ny tahany ambony. Araka ny vokam-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana avy any ivelany dia voalaza manampy amin’ny fitsaboana ny homamiadana ity voakanzo ity. Ny vitamina C ao amin’ny dia manakana ny fiombon’ny « cellules cancéreuse » ary mamono ny « radicaux libres ».

Mikolokolo ny fahasalaman’ny hoditra

Ny vitamina C anatin’ny mokonazy ihany koa dia miasa amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny hoditra. Ankoatra izay dia ahitana « antioxydants » ihany koa anatin’izy ireny. Ny « antioxydants » dia manakana ny fahanteran’ny hoditra sy ny sela tsy hiseho aloha loatra. Mitazona ny hoditra ho tanora sy salama mandritra ny fotoana maharitra noho izany ny fizarana mihinana mokonazy matetika.

Manatsara ny fiasan’ny taova fandevonan-kanina

Ny mokonazy ihany koa dia ahitana fibra amin’ny tahany ambony. Arak’izany dia manampy betsaka amin’ny fandevonan-kanina ny fihinanana azy ireny. Etsy andaniny dia manatsara ny « flore stomacale » izay mandrindra ny fiasan’ny vavony ihany koa izy ireny. Noho izany dia manampy amin’ny fisorohana ny fitohanana sy ny aretim-bavony ny mokonazy. Tandremana tsara kosa nefa mba hoanina amin’ny antonony ity voankazo ity satria raha be loatra dia mety hampivalana.

Lire la suite

Articles Similaires