• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ma Pâtisserie
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « pizza aux pommes de terre »

20/08/2024 16:12 © Moov.Mg

Karazana « pizza » hafakely nefa dia tena matsiro tokoa ny « pizza aux pommes de terre », izany hoe vita amin’ny ovy. Mora karakaraina ary azo atao tsakitsaky na atao sakafo hariva moa izy ity. Araho eto ary ny fomba fanaovana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « pizza aux pommes de terre »

-Ovy 3 lehibe ;
-Poivron 1 ;
-Lafarina 120g ;
-Karaoty 1 ;
-Ronono 100ml ;
-Tongolo 1 ;
-Atody 1 ;
-Fromazy 150g ;
-Menaka oliva ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Persil voatetika madinika.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro

Voasana, sasana ary kikisana (râper) ny ovy. Rehefa vita izay dia atao anaty bol ary asiana rano mandifotra azy. Aroharohana amin’ny tanana avy eo avela hitsiaka anaty passoire.
Voasana ary tetehana madinika ny tongolo. Endasina amin’ny menaka oliva manify anaty lapoaly. Rehefa manomboka tsy misy loko ny tongolo dia arotsaka ao ny karaoty notetena lavalava manify (en julienne). Aroharoana tsara tsy ho may.
Arotsaka manarak’izay ny poivrons notetehana « en dés ». Asiana sira sy dipoavatra ary aroharoana tsara ny fangaro. Rehefa hita fa malemy dia esorina teo ambony afo.
Afindra anaty bol ny ovy voakiky teo ary arotsaka ao ilay fangaro nendasina teo sy ny persil notetehana madinika.
Kapohana anaty bol ny atody ary asiana sira. Tsara raha kapohana amin’ny fouet. Alefa ao ny ronono sy ny lafarina ary tohizana kapohana mandrapahazoana paty malama.
Araraka eo ambonin’ny ovy io pay io. Afangaro tsara daholo mba ahazo fangaro mitambatra tsara.
Asiana « papier sulfurisé » ny lasitra na ny « plaque de cuisson ». Avy eo osorana menaka tsara. Apetraka eo amboniny amin’izany ny fangaro namboarina teo. Somary fisahana mba hameno tsara ny lasitra.
Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 35 minitra amin’ny hafanana 180°C. Rehefa vita izay dia rarahana fromazy voakiky eo amboniny. Averina ampidirina 15 minitra farany anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C alohan’ny hinanana azy.

Lire la suite

Articles Similaires