• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medisite
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsy fahampiana kalsioma : ireo tsara fantatra mikasik’izany

19/08/2024 11:25 © Moov.Mg

Tsy ampy kalsioma hono rehefa marary nify lava na mandeha rà ny hihy. Maro ireo honohono henontsika eny amin’ny fiarahamonina eny mikasik’izany. Mba hanintsina ireo fihevitra diso ary dia andeha ho resahana eto ireo fambara ny tsy fahampiana kalsioma.

Inona no atao hoe tsy ampy kalsioma ?

Tsy ampy kalsioma ny olona iray rehefa midina ka lasa tsy ampy ny tahan’ny kalsioma anaty rà. Arak’izany dia ny fitiliana ny rà ihany no fomba azo antoka ahafantarana fa tsy ampy kalsioma. Maro moa ireo antony mety mahatonga izany fidinan’ny fatran’ny kalsioma anaty rà izany, toy ny hoe :
-Tsy ampy ny hormonina vokarin’ny « parathyroïde » izay ilaina amin’ny fandridrana ny kalsioma ;
-Ny tsy fahampiana vitamina D ;
-Ny « insuffisance rénale » ;
-Ny fihinanana ny karazana fanafody mampihena kalsioma ;
-Ny zaza manana reny diabetika, ny zaza tsy tonga volana na ny tsy fahampian’ny bevohoka vitamina D sy kalsioma nandritra ny fitondrana vohoka.

Ireo fambara mety ahafantarana fa tsy ampy kalsioma

Mazava ho azy fa mety misy fiantraikany eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana ny tsy fahampiana kalsioma. Ireto manaraka ireto ary ireo fambara tokony hanintona hanao fitiliana rà mba hahafantarana ny tahan’ny kalsioma anaty vatana :
Raha toa ka mihena tsikelikely ny tahan’ny kalsioma dia toy izao ny mety hitranga :
-Mahatsiaro « crampe » lava sy marary ny hatoka ;
-Marary andoha matetika ;
-Volivoly ny rantsam-batana ;
-Fanina sy manjavona ny fijery ;
-Mahatsiaro misy manery ny tratra, sempotsempotra ;
-Lasa mora kizitina sy be ahiahy, mora mitomany, manao « dépression » ;
-Mahatsapa toy ny marary vavony ary mety handoa ho azy ;
-Reradava nefa salama ny vatana.
Raha toa ka midina tampoka ny fatran’ny kalsioma anaty rà dia mety :
-Mahatsapa toy ny volivoly na manindrona ny ratsam-batana sy ny tarehy ;
-Sempotra sy miaina malaky ;
-Mikainkona ho azy sady manaintaina ny ratsam-batana sy ny tarehy.

Inona ny mety hitranga raha toa ka tsy voatsabo ny tsy fahampiana kalsioma

Raha toa ka midina mandritra ny fotoana maharitra ny tsy fahampiana kalsioma, izany hoe tsy voatsabo ara-dalàna, dia mety :
-Hampisy « cataracte » ny maso roa ;
-Ho simba ny hoho ;
-Ho maina ny hoditra ka ho mora andairan’ny aretin-koditra ;
-Ho mora simba ny nify ;
-Hanao « dépression » ;
-Hiteraka fahataran’ny fitomboana ara-batana sy ara-tsaina eo amin’ny zaza.

Lire la suite

Articles Similaires