• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohevitra hampitoniana ny aretin’andoha

16/08/2024 15:07 © Moov.Mg

Tsy mifidy taona ny aretin’andoha ary dia mety tena mampijaly sy manelingelina tokoa rehefa tratr’izany. Maro ny antony mety mahatonga izany ka anisan’izany ny havizanana, ny adin-tsaina na koa ny aretina samihafa. Mba ampitoniana ny aretin’andoha (tsy vokatry ny aretina) dia misy ireo torohevitra tsotra azo ampiarina toy ireto atoro manaraka ireto.

Misotro rano tsara

Isan’ireo antony matetika mankarary an-doha ny tsy fahampiana rano satria lasa tsy miasa ara-dalàna ny vatana. Rehefa tsy nisotro rano tsara ohatra nandritra ny tontolo andro na rehefa avy nanao fanatanjahantena dia mety mahatsapa manaitaina tampoka ao anaty loha. Ny atidoha no mandefa hafatra hoe tsy ampy rano ny vatana. Raha izany no mitranga dia mila misotro rano 2 vera avy eo maka aina kely mandrapahazoan’ny vatana io rano io. Hitony ho azy avy eo ilay aretin’andoha vokatry ny tsy fahampiana rano.

Petahana zavatra mangatsiaka eo amin’ny loha

Mandaitra amin’ny fampitoniana aretin’andoha ihany koa ny hatsiaka. Mandrisika ny lalan-drà hihatery izy io ka mampihena ny tosiky ny rà sy ny fanaintainana ao amin’ny loha. Ankoatra izay dia manadonto ny « nerf » ny hatsiaka ka mampihena ny fahatsapana fanaitainana ateraky ny aretin’andoha. Tsotra ny fomba atao. Petahana lamba mando mangatsiaka na « glaçon » nofonosina serveta eo amin’ny faritra manaitaina rehefa marary an-doho. Avela hipetraka eo mandritra ny minitra vitsy. Afaka averina atao raha mbola tsy mitony tsara ilay aretin’andoha.

Misotro kafe mahery 1 kaopy kely

Miasa amin’ny fanaterena ny lalan-drà ihany koa ny kafe. Rehefa misotro kafe mahery 1 kaopy kely dia mihatery ny lalan-drà ao amin’ny loha ka mampitony ny aretin’andoha. Etsy andaniny dia mitahiry ny singa atao hoe « caféine » ny kafe. Manampy amin’ny fibaikona ny saina sy amin’ny fampidinana ny fahatsapana ny fanaintainana vokatry ny aretin’andoha izy io. Tandremana kosa nefa mba tsy hihoatra io 1 kaopy io ny kafe sotroina raha marary andoha satria mety vao maika hankarary andoha indray izy io raha be loatra.

Fanamarihana

Raha toa ka tsy mitony ny aretin’andoha rehefa manao ireo torohevitra ireo na raha toa ka vao mainka mihamafy ny fanaintainana dia mila manantona mpitsabo. Ity farany no mamaritra ny antony mahatonga izany aretin’andoha izany sy manome ny fitsaboana manala izany raha ilaina.

Lire la suite

Articles Similaires