• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Az
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fantatrao ve ? Misy vitamina C ny ovy !

15/08/2024 07:15 © Moov

Ireo voankazo sy legioma volomboasary na mena no tena misy vitamina C : ny voasary, ny frezy, ny papay, ny karoty ohatra no tena mahazatra. Fantaro nefa fa misy vitamina C ihany koa ny ovy (pomme de terre).

Ny ovy, azo asolo vary sady tsy mampatavy

Karazana "feculent" ny ovy, toy ny paty, ka izany indrindra no antony azo hihinanana azy ho solon'ny vary. Tsy atahorana hampatavy nefa io vokatry ny tany io satria kely ny kaloria azo avy aminy. Tsy dia misy matavy ihany koa ny ovy.
Ireto avy ny vokatsoan'ny ovy amin'ny fahasalamana :
-Mahatsara ny tsinay, mahabetsaka ireo "microbes" tsara ilaina amin'ny fiasan'ny tsinay ;
-Mampahazoto homana, mampihena ny tahan'ny Glycémie (raha be loatra ny ao amin'ny vatan'ny mpihinana) ;
-Tsy maha-mora noana, izany hoe mety tsara raha hanin'ny olona te hihen-danja.
Raha misy miteny izany hoe "mampatavy ny fihinanana frites ovy" dia tsara ny mahalala fa tsy ny ovy no mety hampitombo lanja fa ny menaka nanendasana sy ny "sauces" hihinanana azy (mayonnaise/ ketchup/ moutarde/ sauce voanjo).

Ny ovy, misy vitamina C sy B

Rehefa voan'ny sery izany dia azo atao tsara ny mihinana ovy mba ho sitrana haingana. Misy vitamina C tokoa mantsy io vokatra io. Raha mihinana ovy 100 grama fotsiny dia maharakotra ny 13%-n'ny vitamina C ilain'ny vatan'olombelona isan'andro. Tsy izay ihany fa mbola misitraka vitamina B6 sy B9 ny mpihinana. Tsy adino ny protéines, lipides, glucides, fibres, potassium, le magnésium, zinc ary fer. Tena sakafo mahavelona izany ny ovy na hanina fotsiny amin'izao aza.
Misy siramamy ihany koa ny ovy. Raha tehirizina amin'ny toerana mangatsika izy (6°C eo ho eo) dia lasa mamy. Raha mafana loatra ny toerana hitehirizana azy dia mety haniry hoazy ny ovy. Tsara izany raha toerana tsy dia mafana nefa tsy dia mangatsiaka no ampirimana ny ovy.

Lire la suite

Articles Similaires