• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sud Ouest
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fambara ahafantarana fa mila ahena ny siramamy hoanina

13/08/2024 14:39 © Moov.Mg

Maro ny vokadratsin’ny fihinanana siramamy raha tsy hitanisa afatsy ny hoe mampisy diabeta, mankarary nify na koa mampatavy. Tsara raha fadiana ny mihinana azy ireny na ferana arak’izay azo atao. Araho eto ireo fambara ahafantarana mila ahena ny siramamy hoanina.

Mahatsiaro mangetaheta be

Mampangetaheta ny siramamy satria raha be loatra ny tahan’ny siramamy anaty rà dia lasa miasa mafy kokoa ny voa. Lasa mamokatra pipy bebe kokoa izany ny voa mba hanariana io siramamy mihoatra io. Noho io antony io rahateo no mahatonga ny hetaheta be ho isan’ireo fambaran’ny diabeta.

Havizanana tsy fantam-pototra

Ny siramamy dia manaitra sy mampatanjaka eo no ho eo noho ny hisy mampiakatra be ny « glycémie », izany hoe ny tahan’ny siramamy anaty rà. Rehefa midina kosa io « glycémie » io tonga dia afaka daholo ilay tanjaka azo teo aloha. Raha mahatsiaro tena vizaka matetika ny olona iray nefa ampy torimaso tsara dia mety noho ny fihinanana siramamy be loatra no mahatonga izany.

Simba ny nify

Ny fihinanana siramamy be loatra dia mampitombo ny famokarana ireo bakteria ao am-bava izay manimba ny nify. Raha matetika simba na goaka ny nify dia mety mihoatra noho izany ny siramamy hoanina amin’ny andavanandro.

Fiankinan-doha amin’ny siramamy

Ny siramamy dia miantso ny siramamy. Rehefa mihinana siramamy betsaka dia te hihinana hatrany. Araka ny voka-pikarohana nataon’ireo manampahaizana tany ivelany dia voalaza fa manakaiky ny zavamahadomelina ny fiasan’ny siramamy amin’ny atidoha, izany hoe mitondra fahafinaretana mampite hamerina foana.

Mampisy olana amin’ny hodi-tava

Misy fiantraikany eo amin’ny fahasalamana sy ny endriky ny hodi-tava ny fihinanana siramamy be loatra. Lasa misy mony ary mety hipoitra aloha be ny kentrona sy ny miroraka eo amin’ny tarehy. Rehefa ahena ny siramamy dia lasa mihamalefaka sy madio ny hodi-tava.

Lire la suite

Articles Similaires