• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tête À Modeler
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana voatavo « frites » na hoe voatavo nendasina

12/08/2024 14:35 © Moov.Mg

Vokatra be eto amintsika ny voatavo. Maro ny fomba afaka hikarakarana azy ireny ahazona nahandro matsiro. Fantatrao ve fa azo endasina na hoe atao « frites » ihany koa ny voatavo ? Matsiro ary mikarepoka tsara izy ireny rehefa hay ny fanaovana azy. Araho eto ary ny fomba fikarakarana voatavo « frites ».

Ireo akora ilaina raha hanao voatavo « frites »

-Voatavo ;
-Tongolo gasy ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Paprika (tsy voatery) ;
-Menaka hanendasana.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Voasana ny voatavo ary esorina ny vaoniny. Avy eo sasana tsara dia tetehana toy ny manao ovy « frites » ireny.
Voasana ny tongolo gasy ary kikisana atao lasa madinika. Arotsaka ao anatin’ny voatavo voatetika teo. Asiana sira sy dipoavatra ary atao mifangaro tsara. Alefa ao ihany koa ny paprika raha nampiasa avy eo afangaro tsara.
Afanaina anaty lapoaly jobo na atay vilany saba ny menaka anendasana. Atao mamay tsara dia arotsaka ny voatavo. Atao toy ny manendy ovy ihany. Rehefa masaka dia tsihifina tsara dia loharana anatin’ny lovia nasiana « serviette de table ».

Fanamarihana

Azo atao tsara ihany koa ny mahandro ny voatavo « frites » anaty lafaoro. Tsotra ny fikarakarana azy. Atao anaty saladier ny voatavo voatetika dia asiana ireo akora rehetra teo, izany hoe ny tongolo gasy voakiky, sira, dipoavatra sy paprika. Asiana menaka oliva 2 sotro fihinanana avy eo afangaro tsara daholo. Rehefa vita izay dia alahatra eo ambony « plaque de cuisson » ireo voatavo voatetika, tsy atao mifanaingina, ary andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 200°C mandritra ny 20 hatramin’ny 30 minitra.

Lire la suite

Articles Similaires