• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aujourd'Hui
Image
Fahasalamana&Sakafo

Trondro : Mampatsilo saina, mahatsara nify, mahasalama !

11/08/2024 19:14 © Moov

Manankarena hazandrano ny Nosy toa an'i Madagasikara : voadidina ranomasina ny firenena, sady saika ahitana ranomamy avokoa ny faritra rehetra. Na ho an'ny ankizy na ho an'ny olon-dehibe, tena mahasoa tokoa ny trondro : mérou, merlan, thon, sole, carpe, sardine, ...

Ny trondro, tena mahasoa ny mpianatra

Misy "Oménga-3" ny trondro ka manatsara ny fiasan'ny atidoha. Izany indrindra no tena amporisihana ireo mpianatra hihinana azy, indrindra rehefa manakaiky ny fanadinana. Marobe ireo ray aman-dreny no misafidy ny trondro atao laoka mandritra ny fotoam-panadinan'ny zanany. Tsy ny mpianatra ihany na inefa no amporisihina hihinana trondro. Mila kojakojaina ihany koa na ny fitadidiana na ny fifantohana ho an'ny tanora sy ny olondehibe eo amin'ny sehatry ny asa. Tena tsara izany raha mihinana trondro indroa na in-telo isan-kerinandro. Ho an'ireo olona mora mangidihidy, azo atao tsara ny misotro ranom-boasary makirana isaky ny avy mihinana trondro.
Araka ny fikarohana nataon'ny manampahaizana, manampy amin'ny fitsaboana ireo aretina mikasika ny "neurologie" ny trondro. Raha ho an'ireo marary voan'ny alzheimer ohatra, tsy mampihitatra ny aretina ny trondro. Sakafo tena mahasoa io vokatra io ho an'ireo voan'ny Parkinson sy misedra tsy fahatomombanana ara-tsaina rehetra.

Ny trondro, mahasalama ny sokajiin-taona rehetra

Mahasoa ny sokajin-taona rehetra ny trondro. Ankoatra ny vokatsoany eo amin'ny fiasan'ny saina, ireto misy teboka maromaro tsara fantarina :
-Mahatsara nify, noho ny fananany Fluor sy vitamina D, izay manamafy sy miaro ny nify ;
-Miaro amin'ny fahanterana aloha loatra (viellissement précoce) noho ny vitamina E ao aminy. Miaro amin'ny homamiadana isankarazany ihany koa ny trondro ;
-Misoroka ny tsy fahampian-drà sy ny harerahana be loatra, noho ny Fer ao aminy. Mety tsara ho an'ny vehivavy bevohoka (andrahoina tsara fa tsy atono) ;
-Misoroka ny aretim-po sy ny fahatsetsenan'ny lalan-drà.
Samy matsiro tokoa na ny trondron-dranomasina na ny trondron-dranomamy. Ho an'ireo tia sakafo tsy mialon'andro (frais), ny trondron-dranomamy no safidy tsara kokoa. Raha eto Antananarivo, tsy sarotra ny mahita mpivarotra trondro azo antoka. Misy mbola velona mihitsy aza ireo trondro amidy. Tsara nefa ny mampahafantatra fa tsy very tsy akory ny singa mahasoa ao anatin'ny trondro na dia tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny fotoana maharitra aza. Tsy misy atahorana velively izany ny mihinana trondron-dranomasina.

Ny trondro, sakafo matsiro sady mora karakaraina

Nahandro mafilotra ny trondro. Hafa ihany ny trondro gasy lafihana voanjobory lena, hanina miaraka amin'ny vary maina mena. Tsara ery ihany koa ny trondro lafihana anandrano na poireaux. Tsy afaka misaraka amin'ny voatabia, tongolo sy sakamalaho rehefa te hikarakara "trondro saosy".Ho an'ireo tsy mihinana kisoa, ampiarahan'izy ireo amin'ny ravitoto ny trondro, asiana ranona voanio mba hampatavy tsara azy. Ho an'ireo tia sakafo somary efa maoderina, fanaon'ireo trano fisakafoanana ny trondro frity, aroso miaraka amin'ny salady sy frity ovy. Azo atono tsara ihany koa ny trondro. Samy manana ny itiavany ny trondro ny tsirairay.

Lire la suite

Articles Similaires