• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Salumi Pasini
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ahoana ny fomba fitehirizana ny "Charcuterie" ?

10/08/2024 07:47 © Moov

Anisan'ny sakafo matsiro ankafizin'ny sokajin-taona rehetra ny "Charcuterie". Maro ireo fianakaviana no mikarakara sakafo matsiro isaky ny faran'ny herinandro ka mividy saucisson, jambon, pâté, sns. Ahoana àry no fomba itahirizana azy ireny ?

Mila vata fampangatsiahana

Mila hatsiaka 4°C ny charcuteries mba tsy hahasimba azy. Hitantsika eny amin'ireo mpivarotra enta-madinika fa tsy mora simba izy ireny satria "mortadelle" na vokatra hafa efa ho dimy kilao no amidy tsikelikely. Tsy tokony atao ny mamela ny vokatra ao anatin'ny plastika nividianana azy ny charcuteries. Tsara kokoa ny mampiasa efajoro fitehirizana natokana ho an'ny vata fampangatsiahana (boîte hermetique).

Tsy tehirizina ela loatra

Mamparary ny charcuteries raha simba vao hanina. Raha azo atao dia atao amin'ny sakafo avy hatrany ny vokatra raha vao voavidy eny ampin'ny mpivarotra. Raha te hitahiry kosa nefa, tsara ny mampahafantatra fa 5 andro farafahaelany no itahirizana ny "charcuterie cuite" na lena. Tafiditra ao anatin'izany ny pâté, ny mortadelle, ny cervelas sy ny saucissons.
Azo tehirizina hatramin'ny 60 andro kosa ny "charcuterie sèche" na maina, toy ny salami sy n rosette. Tsy atao anaty vata fampangatsiahana izy io fa apetraka amin'ny toerana mangatsiatsiaka fotsiny, ary mahazaka maripana hatramin'ny 20°C.

Fitandremana

Raha tapaka matetika ny jiro dia tsy tokony tahirizina mihoatra ny 2 andro ny charcuteries. Raha maheno fofona na mahita fiovana loko mampiahiahy dia aleo tsy mihinana. Mba hisorohana ny aretina samihafa, indray mandeha isan-kerinandro ihany no tokony hihinanana ireny karazan-kena voahodina ireny. Tsy tokony mihinana ireny ny vehivavy bevohoka sy ny olona marefo.

Lire la suite

Articles Similaires