• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Recettes De Cuisine Africaine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « kebab de bœuf »

09/08/2024 15:40 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra manahirana antsika amin’ny andavanandro ny mikaroka ny laoka atao ao-trano. Nahandro iray mora karakaraina ary matsiro tokoa azy atao laoka tsara ny « kebab de bœuf ». Azo atao tsakitsaky ihany koa izy ity. Araho ary ny fanaovana azy.

Ireo zavatra ilaina raha anao « kebab de bœuf »

-Toton-kena 500g ;
-Tongolo 2 ;
-Kotomila ;
-Lafarina varim-bazaha ;
-Atody 4 ;
-Tongolo gasy, sakamalaho sy dipoavatra ;
-Chapelure ;
-Paprika ;
-Sira.

Fomba fikarakarana azy

Voasana ary tetehana madinika kely ny tongolo. Sasana ary tetehana madinika ny kotomila. Voasana sy totoana ny tongolo gasy sy ny sakamalaho.
Atao anaty saladier ny toton-kena. Alefa ao ny tongolo, tongolo gasy sy sakamalaho. Arotsaka ao ihany koa ny atody 2, ny chapelure, ny sira, dipoavatra ary paprika.
Atao mifangaro tsara daholo ireo akora rehetra. Asiana menaka ny tanana avy eo volavolaina atao lavalava toy ny amin’ny sary io fangaro io.
Atao anaty lovia ny lafarina varim-bazaha. Ahositra ao anatin’io lafarina io tsirairay ireo toton-kena novolavolaina rehetra. Atao mihositra tsara.
Afanaina anaty lapoaly jobo na anaty vilany saba ny menaka anendasana. Endasina amin’ny afo malefaka mandritra ny 15 hatramin’ny 20 minitra.
Esorina rehefa hita fa nahazo loko sy masaka ny nahandro. Tsihifina tsara mba hiala ny menaka ary atao anaty lovia.
Kapohana anaty saladier hafa ny atody ambiny ary asiana sira kely. Atsoboka ao tsirairay ireo kebab nendasina teo ary averina endasina amin’ny afo malefaka indray. Rehefa vita dia tsihifina tsara. Vita ny nahandro.

Lire la suite

Articles Similaires