• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rtbf
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny aretina « coqueluche »

08/08/2024 12:21 © Moov.Mg

Aretin’ny taovam-pisefoana azo avy amin’ny bakteria ny « coqueluche ». Mora mifindra tokoa izy ity satria entin’ny rivotra eny ny otrikaretina mahatonga azy. Areti-mandoza mety mitarika amin’ny fahafatesana izy ity indrindra raha mahavoa ny zazakely na ny olona marefo. Araho ary ireo tsara fantatra mikasika ny aretina « coqueluche ».

Inona tokoa moa ny aretina « coqueluche » ?

Araka ny efa nambara teo ambony dia aretina mahazo ny taovam-pisefoana ny « coqueluche ». Mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora moa izy ity ka dia mora mifindra sy mora miparitaka tokoa. Mijanona eny amin’ny rivotra ny piti-drora avy amin’ilay marary rehefa mikohoka na rehefa mievona ity farany.

Ahoana ny fambaran’ny « coqueluche » ?

Miseho amin’ny alalan’ny kohoka misesy sy mafy arahana fiaina (respiration) lalina sy maneno. Mety maharitra herinandro na volana maro izany kohoka izany ka mety mamizaka tokoa, indrindra eo amin’ny zazakely sy ny ankizy. Ankoatra io kohoka io moa dia misy soritr’aretina hafa mety hiseho toy ny hoe :
-Farim-peo ;
-Manavy ;
-Misy lelo ;
-Malain-komana ;
-Mandoa.
Ireo karazan’olona sokajiana ho marefo no tena handairan’ity aretin’ity. Anisan’izany ny zazamenavava, ny ankizy, ny beantitra ary ireo olona manana hery fiarovana ambany.

Ahoana ny atao hisorohana azy ?

Ny fanaovana vaksiny fanefitra ny « coqueluche » no fomba mahomby indrindra hisorohana ity aretina ity. Efa tafiditra anatin’ireo vaksiny atao amin’ny zaza dieny mbola kely moa izy io. Tsara manao azy ihany koa ny olon-dehibe, indrindra ireo mifanerasera akaiky amin’ny zazakely. Misy ihany koa ireo fitandremana tsara atao hisorohana ny fiparitahan’ny aretina, toy ny hoe :
-Manao aro-vava sy orona rehafa mikohoka na voan’ny sery ;
-Manasa tanana matetika amin’ny rano sy savony na lavenona ;
-Fadiana arak’izay atao ny manakaiky ny olona mitondra io aretina io.
Raha mahatsikaritra ireo soritr’aretina ireo dia mila manantona avy hatrany ny mpitsabo mba ahazoana ny fandraisan-tanana hitsaboana ny aretina. Tandremana tsara mba vitaina hatramin’ny farany ireo « traitements » hitsaboana ny « coqueluche » mba hisorohana ny fahasarotana mety aterak’ity aretina ity.

Lire la suite

Articles Similaires