• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahana eto ny mikasika ny voa na ny « reins »

07/08/2024 15:02 © Moov.Mg

Aretina iray isan’ny sarotra tsaboana ary dia mandany vola tokoa ny fahasimban’ny voa na « reins ». Mety hitarika hatramin’ny fahafatesana ny aretin’ny voa raha toa ka tsy ampy ny enti-manana. Fa inona tokoa moa no anjara asan’ny voa eo amin’ny vatana ? Ahoana ny fisehon’ny aretin’ny voa ? Inona no mety mahatonga izany ary ahoana ny fitsaboana atao ?

Inona no anjara asan’ny voa eo amin’ny vatana ?

Ny voa na ny « reins » dia mitana anjara maro sy lehibe eo amin’ny vatana. Anisan’izany ny :
-Fanadiovana ny rà mba hanesorana ireo loto ao aminy sy hanariana izany any amin’ny pipy ;
-Fitazomana ny tahan’ireo singa mandrafitra ny rà mba tsy hiovaova ;
-Fandanjalanjana ny tosi-drà ;
-Fanodinana ny vitamina D mba ahafahan’ny tsinay mandray ny kalsioma avy amin’ny sakafo sy hitazoman’ny taolana izany ;
-Famokarana ny singa mandrisika ny famokarana ny « globules rouges ».
Raha toa ka tsy mahavita misahana ireo anjara asany ireo intsony ny voa dia izay no antsoina hoe « insuffisance rénale ». Raha mitranga izany dia lasa miandrona ao anaty vatana ireo loto sy rano mila mivoaka any amin’ny pipy.

Ny fomba fisehon’ny aretin’ny voa

Aretina isan’ny misoko miadana ary tsy dia misy fambara ny aretin’ny voa. Rehefa tonga amin’ny fahasarotana izy matetika vao tena miseho ireo fambara. Raha tratry ny aretin’ny voa ny olona iray dia mety :
-Mandoa matetika ;
-Fanimpanina matetika ;
-Sempontsempotra na manana olana ara-pisefoana matetika ;
-Manao « anémie » sy hatsatra matetika ny endrika ;
-Rera-dava ;
-Maina sy mangidihihy be ny hoditra ;
-Miova ny habetsaka sy ny lokon’ny pipy ;
-Marary lamosina sy eo ambany kibo matetika ;
-Mailain-komana sy mihena ny lanja ;
-Misy krampy ny tongotra, indrindra amin’ny alina ;
-Ratsy torimaso.

Ireo antony mety mahatonga ny aretin’ny voa

Matetika dia avy amin’ny fomba fiaina no mahatonga ny fahasimban’ny voa. Anisan’ireo fahazarana mety mitarika ny aretin’ny voa ny :
-Fiaretana pipy ;
-Tsy fisotroana rano tsara isan’andro ;
-Fihinanana fanafody be loatra ;
-Fihinanana hena mena, charcuteries matetika ;
-Fisotroana toaka, kafe na tambavy be loatra ;
-Sakafo be menaka na be akora simika ;
-Fifohana sigara ;
-Tsy fahampiana torimaso.

Ny fitsaboana ny aretin’ny voa

Raha mahatsikaritra ny iray na maromaro amin’ireo fambara voalaza ireo dia mila manantona mpitsabo ahafahan’ity farana manatanteraka ny fizahana mba hamantarana raha marary ny voa. Misy fitiliana atao moa hanamarinana izany.
Marihana moa fa mbola tsy misy fanafana ny aretin’ny voa hatreto. Mifantoka betsaka amin’ny famerana ilay aretina mba tsy hihitatra ny fitsaboana atao. Tafiditra anatin’izany ny fitsaboana ireo aretina samihafa mety vao mainka manimba ny voa, ny fanaraha-maso ny sakafo sy ny fanafody hoanin’ny marary, ny fanaovana « dyalise » na « greffe de rein » raha toa ka efa simba be voa.

Lire la suite

Articles Similaires