• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Baies de Goji » : mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana

06/08/2024 14:06 © Moov.Mg

Mbola maro amintsika no tsy mahafantatra ny « baies de Goji ». Voankazo iray isan’ny manankarena « nutriments » sy « antioxydants » moa izy io ka mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana ny fihinanana azy. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « baies de Goji ».

Inona tokoa moa ny « baies de Goji » ?

Ny « baies de Goji » dia voankazo kely sokajiana anatin’ny atao hoe « baie rouge ». Matetika moa dia izy efa nahamainina no hoanina. Avy any Azia avy any moa no nipoiran’ity voankazo ity ary ampiasain’ireo azianina amin’ny fikarakarana sakafo sy amin’ny fitsaboana netin-drazana izy ireny. Araka ny voalaza teo ambony dia mitahiry otrikaina maro ilain’ny vatana sy ny fahasalamana ny « baies de Goji ».

Inona avy ireo vokatsoa azo amin’ny fihinanana « baies de Goji » ?

Ny fihinanana « baies de Goji » matetika dia mitondra dia voalaza fa :

Manome tanjaka

Ny « baies de Goji » dia mitahiry vitamina B amin’ny tahany ambony. Io vitamina io dia mandray anjara lehibe amin’ny famokarana ny tanjaky ny vatana. Manampy amin’ny fampihenana ny havizanana sy manome fahavitrihana ihany koa ny fihinanana ity voankazo ity.

Manadio ny ao anaty

Manankarena « antioxydants » ihany koa ny « baies de Goji ». Ny fihinanana azy matetika dia manadio ny ao anaty amin’ny alalan’ny fanesorana ireo « toxines » manampoizina ireo taova lehibe, indrindra ny aty.

Manatsara ny fahitana (maso)

Isan’ireo otrikaina hita anatin’ny « baies de Goji » ny « bêta-carotène ». Ity farany dia mandray anjara lehibe amin’ny famokarana vitamina A ka noho izany, manampy amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny maso.

Manamafy ny hery fiarovana

Ny « baies de Goji » ihany koa dia ahitana vitamina C amin’ny tahany ambony. Ny fihinanana matetika azy ireny dia mampitombo sy manamafy ny hery fiarovan’ny vatana. Ankoatra izay, ny fisian’ny « antioxydants » ao amin’ny miaro ireo sela amin’ny « radicaux libres » sy manemotra ny fahanteran’izy ireo aloha loatra.

Fanamarihana

Voankazo mahasalama sy azo hoanina amin’ny andavanandro ny « baies de Goji ». Tsy tsara mihinana azy be loatra kosa nefa ny vehivavy bevohoka. Mety mahatonga « allergies » ihany koa izy io, indrindra eo amin’ireo olona manao « allergies » amin’ny « pollens ». Tsara hatrany ny manontany mpitsabo alohan’ny hinanana betsaka sy matetika azy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires