• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mon Grain De Sucre
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanamboarana gâteau RED VELVET ao an-trano

05/08/2024 16:40 © Moov.Mg

Isan’ny mofomamy malaza ankehitriny ary be mpankafy ny red velvet. Efa maro ireo mpivarotra mofomamy ahitana azy io eto amintsika ary azo lazaina fa lafo vidy izy ireny raha ilay tena izy (fa tsy gateau nasiana colorant). Raha maniry hanamboatra red velvet ao an-trano ary dia toy izao ny zavatra ilaina sy ny fikarakarana azy.

Ireo akora ilaina amin’ny « cake red velvet »

-Lafarina 200g ;
-Fécule de maïs 25g ;
-Cacao noire 2 sotro fihinanana ;
-Farine d’amande 25g ;
-Siramamy 200g ;
-Beurre doux 115g ;
-Atody 2 lehibe ;
-Babeurre 240ml ;
-Vinaigitra fotsy 1 sotrokely ;
-Karibonetra 1 sotrokely ;
-Sira ½ sotrokely ;
-Extrait de vanille 1 sotrokely.

Ireo akora ilaina amin’ny « glaçage au creamchesse »

-Philadelphia na creamcheese fanao amin’ny pâtisserie 200g ;
-Beurre doux 50g (tsy mivaingana be) ;
-Sucre glace 450g ;
-Extrait de vanille 1 sotrokely.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny gâteau red velvet

Hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
Hosorana menaka ny lasitra ampiasaina. Tokony lasitra boribory 2 mirefy eo amin’ny 20cm de diamètre.
Afangaro ireo akora maina amin’ny « cake red velvet ». Izany hoe atao anaty saladier miaraka ny lafarina, farine d’amande, fécule de maïs, cacao ary sira dia atao mifangaro tsara daholo.
Kapohana anaty batteuse indray ireo akora mando. Ny dibera sy ny siramamy no kapohana voalohany. Rehefa mahazo fangaro marihitra tsara dia arotsaka tsirairay ireo atody sady kapohana hatrany hifangaro tsara. Arotsaka farany ny extrait de vanille.


Copyright Image : © Viajar

Arotsaka tsikelikely anatin’ny fangaro mando ireo fangaro maina teo ambony. Rehefa vita izay dia afangaro amin’ny babeurre ilay paty hazo. Samy zaraina telo ny fatran’izy ireo ary miaraka afangaro tsikelikely amin’ny spatule mba hitambatra tsara.
Afangaro anaty bol kely hafa indray no karibonetra sy ny vinaigitra. Rehefa vita izay dia arotsaka anatin’ny paty io fangaro io ary aroharoana tsara amin’ny spatule. Lasa mivadika menamena ny lokon’ny paty rehefa mifampikasoka ilay cacao sy ilay fangaro nisy vinaigitra sy karibonetra.
Arotsaka anatin’ireo lasitra 2 amin’ny fatra mitovy ny paty. Somary hatontona mba hifatratra tsara. Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 25 hatramin’ny 30 minitra eo ho eo. Rehefa masaka dia avoaka ary avela hangatsiaka.
Miditra amin’ny fikarakarana ny « glaçage au creamcheese »
Arotsaka anaty saladier ny philadelphia na ny creamcheese sy ny dibera ary kapohana amin’ny batteuse. Atao ambany aloha ny hafainganan’ity farany mandrapahazoana fangaro fotsy. Avy eo arotsaka ny extrait de vanille sy ny sucre glace. Tohizana kapohana mandrapahazoana « crème » malama sy marihitra tsara. Rehefa mangatsiaka ny « cake red velvet » dia afaka manao ny « montage » amin’izay.


Copyright Image : © Mon Grain de sucre

Lire la suite

Articles Similaires