« Lentilles de contact » : ireo fitandremana amin’ny fampiasana azy ireny
Vahaolana iray manintona olona maro hanoloana ny solomaso ny « lentilles de contact ». Tsy manelingelina, tsy atahorana rehefa manao fanatanjahantena, tsy manelingelina ny tarehy sy manova ny endrika… Mila fitandremana nefa ny fampiasana « lentilles de contact » noho izy mipetraka mivantana eo amin’ny voamaso. Araho eto ny andinindininy mikasika izany.
Ireo mety ho « risques » amin’ny fanaovana « lentilles de contact »
Tsy azo atao tsy ampiheverana ny fanaovana « lentilles de contact ». Ny tsy fitandrovana ny fahadiovana rehefa manao azy na ny fanaovana azy maharitra loatra dia mety hitarika fahasarotana manomboka amin’ny tsy fahazoana aina tsotra hatramin’ny fahasarotana tsy azo arenina. Anisan’ireo mety ho « risques » amin’ny fanaovana « lentilles de contact » ny :
-« Hypoxie cornéenne ». Ny « cornée », singa ao amin’ny voamaso, dia tsy tongan’ny rà. Mifoka mivantana ny « oxygène » eny amin’ny rivotra izy io hampiaina azy. Ny fanaovana « lentilles » maharitra loatra dia manakana ny fahafahan’ny « cornée » mahazo ny « oxygène » ilainy ka mety mahatonga fivontosana na fipoitran’ny lalandrà kely be dia be ao anatin’ny maso.
-« Infections » avy amin’ny bakteria sy « champignons ». Ny « risque » atahorana indrindra amin’ny fanaovana « lentilles » dia ny « kératite amibienne ». Izy io dia aretin’ny maso avy amin’ny « micro-organismes » anaty rano. Raha tsy voatsabo malaky dia mety hahajamba.
-Fahamainan’ny maso. Ny « lentilles » dia mitroka ny ampahany amin’ny « film lacrymal » mba hitazomana ny hamandinany. Izany moa dia mety hitarika fahamainan’ny maso ka mahatonga fahatsapana mavaivay na mamasipasika ao anaty maso.
-« Ulcères de la cornée ». Izy io matetika dia avy amin’ny fahakikana kely vokatry ny « lentille » simba na fisian’ny vovoka mihitsoka eo amin’ity farany. Mora manonitra io kiaka kely eo amin’ny « cornée » io raha tsy voatsabo ara-dalana.
Ireo fitandremana mila atao rehefa manao « lentilles de contact »
Mba hisorohana sy hamerana ireo « risques » amin’ny fanaovana « lentilles de contact » dia misy ireo fepetra sy fitandremana tsara atao.
-Tandrovana tsara ny fahadiovana
Sasana tsara amin’ny savony, malefaka sy tsy manitra, foana ny tanana ary hamainina amin’ny lamba madio sy tsy misy volombolony alohan’ny hikirakiraina sy hametahana ny « lentilles » ;
Tsy atao mikasoka rano mihintsy ny « lentilles ». Izany hoe tsy azo diovina amin’ny rano na rora, na ny « lentilles » na ny fitoerany. Ny rano dia mitahiry bakteria mety mandoza ho an’ny maso.
-Hajaina tsara ny fotoana anaovana ny « lentilles »
Fadiana ny mitondra ny « lentilles » matory raha tsy hoe toromarika manokana avy amin’ny mpitsabo maso mihintsy. Mampitombo avy 8 heny ny « risque d’infection » ny fitondrana azy ireny matory.
Hajaina ny fe-potoana azo ampiasana ny « lentilles ». Raha tokony soloina isam-bolana na isaky ny roa volana ny « lentilles » dia hajaina tsara izany fe-potoana izany, eny na dia tsy nanaovana isanandro azy izy ireo.
Oviana no tokony hanahy ?
Raha mahatsikaritra na mahatsapa ny iray amin’ireto fambara manaraka ireto dia esorina avy hatrany ny « lentilles » ary manantona mpitsabo maso :
-Mivaramena maharitra ny maso ;
-Marary be ao anaty maso ;
-Manjavozavo tampoka ny fahitana ;
-Mahatsapa hoe misy zavatra manelingelina anaty maso na dia efa nesorina azy ny « lentilles ».


