• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Fahasalamana&Sakafo

Molotra maina sy vakivaky : torohevitra hikarakarana azy ireny

05/08/2024 11:58 © Moov.Mg

Rehefa ririnina toy izao dia maro amintsika ny mijaly noho ny molotra maina sy vakivaky. Sady ratsy endrika moa izy ireny no manelingelina ary indraindray mety maratra mihintsy. Fa inona tokoa no mahatonga ny molotra ho maina sy vakivavy rehefa ririnina ary inona no fikarakarana azo atao ?

Ny antony mahatonga ny molotra maina sy vakivaky rehefa ririnina

Mora maina sy vakivaky kokoa ny molotra rehefa vaninandro ririnina. Ny toetra’andro maina sy mangatsiaka moa no isan’ny antony lehibe mahatonga izany. Ny rivotra mangatsiaka dia miteraka tsy fahampiana rano eo amin’ny hoditra, indrindra eo amin’ny molotra izay marefo kokoa. Lasa makiana ary vakivaky ny molotra raha tsy voakarakara tsara. Indraindray moa rehefa mahatsapa hoe maina iny ny molotra dia lasa milelaka molotra isika hanamandoana azy. Vao mainka nefa makiana ny molotra tratry ny rora ary lasa sarotra ny mikarakara azy. Ireto manaraka ireto ary ny fikarakarana tsara atao ny molotra makiana sy vakivaky rehefa ririnina.

Misotro rano tsara

Manampy betsaka amin’ny fisorohana sy amin’ny fitsaboana ny molotra maina sy vakivaky rehefa ririnina ny fisotroana rano tsara isan’andro. Tsy tokony ho latsaky ny 1,5l isan’andro ny rano sotroina. Sady mahasalama ny vatana moa izany no manome ny fatrana rano ilaina amin’ny fanamandinana ny hoditra. Raha tsy ampy rano ny vatana dia vao mainka ho mora makiana ny molotra ary sarotra kokoa ny mitsabo izany.

Mampiasa « baume à lèvres » manome rano ny molotra

Tsy haitraitra ny fampiasana ireny « baume à lèvres » ireny fa tena ilaina tokoa amin’ny fiarovana sy fikarakarana ny molotra mba tsy ho makiana. Safidiana tsara kosa nefa ny karazana « baume à lèvres » ampiasaina. Raha azo atao dia ireny « marque » azo antoka ireny no vidiana. Azo atao ihany koa nefa ny manamboatra « baume à lèvres » natoraly ao an-trano. Maro ireo fomba fikarakarana izany hita eto amin’ny aterineto. Anisan’ireo akora manome rano ny molotra tsara ampiasaina amin’izany ny beurre de karité, huile de coco, vitamine E sy ny cire d’abeille.

Kosehana mora ny molotra

Manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny molotra makiana sy vakivaky ny fikosehana mora azy ireny mba hialan’ny hoditra maty sy mba handraisan’ny molotra tsara kokoa ny rano avy amin’ny « baume à lèvres ». Tsotra ny fanaovana izany, afangaro ny siramamy sy ny tantely ary io no ahosotra kely eo amin’ny molotra sy hikosehana azy. Atao mandritra ny 3 hatramin’ny 5 minitra eo ho eo avy eo kobanina amin’ny rano matimaty. Rehefa vita izay dia osorana « baume à lèvres hydratant » ny molotra. Indray mandeha isan-kerinandro ihany no atao izy ity.

Arovana amin’ny hatsiaka ny molotra

Mba hiarovana ny molotra tsy ho makiana sy vakivaky rehefa mangatsiaka ny andro dia tsara raha takomana amin’ny « écharpe » na amin’ny « cache-nez » izany rehefa mivoaka ny trano. Izany hoe ezahana tsy atao tratry ny rivotra mangatsiaka ny molotra satria mahamaina azy izany. Rehefa ilay mivoaka ny trano vao maraina be misy fanala iny sy rehefa hariva hody no tena ilaina ny miaro ny molotra amin’ny hatsiaka.

Lire la suite

Articles Similaires