• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Chezpatchouka
Image
Fahasalamana&Sakafo

Poireaux : Mahasoa ny atidoha, ny fo, ny voa ary ny tsinay

05/08/2024 09:44 © Moov

Fahazaran’ny mpahandro sakafo no manisy poireaux kely rehefa mikarakara "soupe légumes". Manome hanitra manintona io zava-maitso io. Azo atao laoka ihany koa nefa ny poireaux noho ny vokatsoa entiny ho an’ny fahasalamana. Mora rahateo io legioma maitso io amin'izao vanimpotoana mangatsiatsiaka izao.

Miaro ny tsinay

Atidoha faharoa ny tsinay. Misy singa mifandray amin'ny atidoha ao aminy ka miantoka ny fahasalamana. Mazava ho azy fa raha misy olana any amin'ny tsinay dia tsy milamina ny fahasalamana, sady mitombo ny "stress". Ireo bakteria tsara ao amin'ny tsinay no tena mila kolokoloina, ka anisan'ny tena ilaina ny fihinanana sakafo misy "fibres prébiotiques". Ny poireaux izany dia mampitombo ireo bakteraia tsara ao amin'ny tsinay sady mampizotra tsara ny fiasan'ireo taova fandevonankanina.

Mahasoa ny fo sy ny atidoha

Ao amin'ny fo no ipoiran'ny aina. Izany indrindra no tsy maintsy ikolokoloana io taova io. Misy singa mahatsara ny "pression arterielle", miantoka ny fampikorinan'ny fo ny ra, ny poireaux. Manankarena fer sy potassium io legioma maitso io.
Maro ihany koa ny singa entiny, izay mahasoa ny fahasalamana, ho an'ny sokajin-taona rehetra. Ny vitamina B6 sy B9 ohatra dia mety tsara ho an'ny zaza mitombo, manala havizanana, mampitombo ny fitadidiana sy ny fifantohana ary miantoka ny famokarana "globules rouges".

Manadio ny taova ao anaty

Tsy ilaozan'izay loto na akora simika tafiditra ny vatana, indrindra moa noho ny sakafo indostrialy izay miparitaka etsy sy eroa sady amin'ny vidiny mirary. Ny poireaux dia manadio ny taova ao anaty, ka manala ireo "toxines" mankarary. Rehefa mihinana an'io zava-maitso io dia matetika mivalandrano. Manaraka ny pipi avokoa ny poizina rehetra.

Mampihena vatana

Kely ny kaloria ao anatin'ny poireaux, nefa mora mahavoky izy. Izany indrindra no tena itiavan'ireo olona te hampihena vatana azy. Matetika dia hanina mantamanta io vokatra io. Mahazatra antsika eto Antananarivo ohatra ny mihinana fromage de soja miaraka amin'ny poireaux. Azo atao "salade" ihany koa ny poireaux : tetehina madinika ka asiana "sauce vinaigrette".
Amporisihina ny fihinanana poireaux, indray mandeha isan-kerinandro farafahakeliny. "Cuisson à la vapeur" na andrahoina fa atao mantamanta no tena tsara hihinanana azy, mba itahirizana ireo singa entiny. Azo afangaro tsara amin'ny legioma tsy be rony ihany koa ny poireaux, ka endasina fotsiny raha "légumes sautés" no karakaraina. Matsiro ihany koa ny poireaux raha endasina miaraka amin'ny tongolo, eny fa na dia tsy asiana hena aza.

Lire la suite

Articles Similaires