• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Actu.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohay : ireo torohevitra manampy rehefa mahandro « pâtes »

02/08/2024 16:51 © Moov.Mg

Maro ireo fahazarana fanaontsika rehefa mahandro « pâtes ». Misy amin’izy ireny no mifanipaka tanteraka amin’ny tokony atao. Mba hanatsarana ny nahandro karakaraina ary dia ireo misy torohevitra tsara arahana rehefa mahandro « pâtes ».

Tsy ilaina ny manisy menaka amin’ny rano handrahoana ny « pâtes »

Zavatra iray atahorantsika rehefa mahandro « pâtes » ny hoe sao miraikitra na mifampipetaka izy ireo mandritra ny fahamasahany. Misy ireo manoro hoe asiana menaka ny rano handrahoana azy ireny mba hisorohana izany. Mety tsy hiraikitra tokoa ireo « pâtes » raha manao izany nefa kosa lasa tsy mora mandray ny saosy ampiasaina hanomezana tsiro azy tsara intsony izy ireo. Raha tiana tsy hiraikitra ny « pâtes » dia atao be dia be fotsiny ny rano handrahoana azy.

Tsy tokony kobanina ny « pâtes » rehefa izy vao masaka iny

Isan’ireo fahazarana fanaontsika hatrizay ny manakobana na mampandalo ny « pâttes » ambany rano mangatsiaka rehefa izy vao masaka iny. Heverintsika fa tsy hampipetapetaka azy iny fanaovana izany. Marihana nefa fa mampiala ny « amidon » ao amin’ny « pâtes » ny fanaovana izany ka lasa mafimafy sy henjakenjana izy ireo rehefa mangatsiaka.

Aroharoana matetika mandritra ny fanamasahana azy

Indraindray rehefa mahandro « pâtes » isika dia tsy mitovy ny fahamasahan’izy ireo. Ny sasany mbola mafy nefa ny sasany efa malemy. Mba hisorohana izany dia aroharoana matetika izy ireo mandritra ny fanamasahana azy. Ilay izy vao avy narotsaka no aroharoana voalohany ary atao izay indroa hafa indray mandrapahamasaka azy. Sady ho miara-masaka ny « pâtes » no tsy hifampiraikitra.

Tsy ariana avokoa ny rano nandrahoana ny « pâtes »

Isan’ireo fahadisoana fanaontsika rehefa avy mahandro « pâtes » ny tonga dia manary ireo rano avy nandrahoana azy. Marihana nefa fa mitahiry « amidon » tena ilaina tokoa io rano io. Azo ampiasaina hanapohana saosy lasa marihitra loatra ohatra izy io. Raha rano tsotra tokoa mantsy no ampiasaina dia mety lasa hatsatso ilay saosy. Afaka hanamandinana ny « pâtes » toy ny « spaghetti bolognaise » izay lasa maimaina ihany koa moa io rano io. Tsara izany raha hanajanonana 1 na 2 kaopy izy io rehefa manatsiaka ny « pâtes ».

Lire la suite

Articles Similaires