• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Voix Des Patients
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo lafin-javatra mety hanimba ny maso mila tandremana

02/08/2024 11:47 © Moov.Mg

Isan’ireo faritra marefo amin’ny vatantsika ny maso. Mila tandremana tsara izy ireo mba ho salama lalandava. Maro ireo zavatra tsy ampoizina sy mbola vitsy mahafantatra mety hanimba ny maso. Resahana eto ary ny santionany amin’ireo lafin-javatra mila tandremana.

Tsy fahavitrihana ara-batana

Isan’ireo lafin-javatra mitarika fahasimban’ny maso ny tsy fahavitrihana ara-batana. Mampitombo ny « risques » mety mahavoa ny diabeta, ny fiakaran’ny tosi-dà ary aretina hafa izay misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny maso. Matetika moa ankehitriny ny ankamaroan’ireo olona tsy manao fanatanjahantena dia mandany fotoana betsaka eo amin’ireo « écrans » ireny, toy ny finday, ny fahitalavitra, ny solosaina… Mazava ho azy fa mamizaka maso ary mety hankarary azy izany.

Ny aretina « zona »

Ny aretina « zona » dia ny fifohazan’ny viriosin’ny nendraboalavo ao anatin’ny vatana. Ireo olona efa voan’ny nendramboalavo izany no mety ho tratry ny « zona ». Amin’ny ankapobeny moa dia aretina mora sitrany ihany izy ity raha toa ka voaray an-tanana ara-dalàna sy ara-potoana. Raha tsy voatsabo kosa nefa izy io dia mety hisy fahasarotana ka mety mahatonga aretin’ny maso, indrindra raha tonga eny amin’ny maso ilay viriosy.

Ny sigara

Ny fifohana sigara dia mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fahasalaman’ny maso. Ny setroka sigara tokoa mantsy dia mitahiry poizina (toxine) izay manafaingana ny fahanteran’ny « rétine ». Ity farany moa dia singa iray mandrafitra ny maso. Mety mampitombo ny « risques » ahavoan’ny « cataracte » ihany koa moa izany. Ankoatra izay moa dia mety mahamaina ny maso ny fidiran’ny setroka sigara matetika ao aminy.

Lire la suite

Articles Similaires